Mois : octobre 2025

VAOVAO TAMBATRA

Hisehatra any Brooklyn, New York, i Soa Ratsifandrihana. Haneho ilay soradihy « Fampitaha, fampita, fampitana » izy, ny 28 hatramin’ny 30 oktobra izao, mandritra ny « Powerhouse International Festival ». Mifototra amin’ny soradihy mazava loatra, saingy miharo mozika miaraka amin’ilay mpitendry gitara, Joël Rabesolo izany. Niaharan’izy ireo niasa rahateo tamin’ireo […]

« Tolo-tanana ho an’i Kolibera »: Naneho firaisankina ny samy mpanakanto

Tsy sambany ny fiaraha-mientan’ny samy mpanakanto. Nanoloana ny tsy fahasalamana nahazo an’i Kolibera, nisy ny hetsika izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny Anat’Sah, sampanan’ Am­bohi­trimanjaka. Natao ho fitadiavam-bola hanampiana an’ity andrarezin’ny tendry gasy an-gitara ity izany, hiatrehany ny tohin’ny fitsaboana. Maro dia maro ireo namaly ny antso na dia […]

Nentim-paharazana: Natsangana ny Vovonana mpitankasina mijoro

Ho tany repoblikanina, miorina amin’ny fomba nentim-paharazana i Madagasikara. Izay no tanjon’ny Vovonana mpitankasina mijoro izay nampahafantarina voalohany ny zoma 25 oktobra teo, tetsy amin’ny IKM Antsahavola. Ivondronan’ireo mpandala ny fomban-drazana malagasy, tsy anavahana foko sy firazanana izany. Mahatsapa izy ireo fa manana adidy goavana amin’izao toe-draharaha lalovan’ny firenena izao […]

« Artivisme 2025 » : Ny zavakanto, ho fitaovam-panentanana ny mpiara-belona

Mpanabe ny mpanakanto. Mpanaitra ny fiarahamonina amin’ny loza manambana ihany koa. Izay no tanjona tamin’ ny hetsika « Artivisme 2025 », nampiasain’ireo mpanakanto ny talentany amin’ny adisisika ho an’ny fiarahamonina. «Artivisme», mira fa­na­irana amin’ny ala­lan’ny zavakanto. «Miaraka mandrasa ny fahanginana. Andao hiady amin’ny fanolanana sy ny fifamotorana». Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tonga eny Ambohimanambola ireo fitaovana ahafahana mamelona ireo milina miisa telo simba mpamokatra herinaratry ny Jirama. Mitentinta hatrany amin’ny 3 miliara Ar ireo fitaovana ireo. Hiampy 20MW ny famokarana herinanatra eto an-toerana, aorian’ny fanamboarana ary hihena ny fahatapahan-jiro lavareny. Marihina fa manodidina ny 10 andro isaky ny milina ny fanamboarana […]