Mois : octobre 2025

INDRAY MIJERY

Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo andrefan’ny Nosy. Tombanana hahatratra 55 km isan’ora izany. Noho ny fisian’ilay rivodoza Chenge ihany koa, tombanana ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Mety hahatratra 55 km isan’ora hatramin’ny 80 km isan’ora izany. Nanomboka omaly ka hitohy […]

Taranja Stem : Nampiharina amin’ny Lycée 14 sy CEG 42

Niainga avy amin’ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy hanome fanabeazana manana kalitao sy ho an’ny rehetra ary hanatrarana ny tanjona hatramin’ny taona 2063 ho an’i Afrika ny nametrahana ny Stem. Hampiroboroboana ny fanabeazana sy hitazonana ny mpianatra zatovovavy any an-tsekoly sy hifantoka amin’ny taranja siantifika. Napetraka teny anivon’ny Lycée 14, nanomboka ny […]

« Afrima 2025 »: Voafidy hifaninana i Denise

Vaovao lehibe indray ho an’i Denise manokana, sy ho an’ny tontolon’ny mozika malagasy amin’ny ankapobeny. Nanambara tamin-kafaliana ity mpanakanto ity, omaly, fa voafidy ho anisan’ireo hifaninana mandritra ny «All Africa Music Awards 2025» na ny «Afrima» izy. Ao amin’ny sokajy mpihira vehivavy mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana no misy an’i […]

Noho ny fangatahan’i Bodo… : Naroso ny 16 novambra ny sehon’i Marion

Nifandamina ny samy mpanakanto sy ny mpikarakara. Efa tapaka izany ary tsy miova intsony fa ny alahady 16 novambra no hanaovana ilay fampisehoan’i Marion, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. «Noho ny fangatahan’i Bodo manokana dia nomenay azy ny daty 23 novambra, izay efa azy teo aloha ihany saingy najanon’ny mpikarakara […]

Tojo tsy fahasalamana…: Hisy hetsika tolo-tanana ho an’i Kolibera

Naiditra hopitaly i Kolibera. Mbola ho lavalava ny fitsaboana, ka hanao seho tolo-tanana ireo mpanakanto maro, hanampiana azy hahazo fahasalamana malaky. «Narary tao an-trano izy ka voatery nampidirina hopitaly. Efa hita ho mihatsara ny fahasalamany, saingy mbola ho lava ny fitsaboana raha ny nambaran’ny dokotera», hoy ny nambaran’i Nini, zanak’i […]