Somary mangingina hafahafa izany indray aloha ny eny an-dapa tato ho ato. Asa! Variana amin’ny fitetezam-paritra angamba? Iaraha-mahalala fa mihazakazaka tokoa ny mpanolotsaina ambony midina eny anivon’ny vahoaka ifotony. Anisan’ny mendrika ny hisitraka izany ny Malagasy any ambany ravinkazo. Ny Filoham-panjakana moa manohy ny fandraisan’olona.
Mifanindran-dalana amin’izay anefa, miseholany ny famerenana ny fomba mamohehatra hataon’ny mpanararao-pahefana sasany. Misy dia baikoin’ny valifaty tsotra izao. Lasa mamadika ilay fanovana ho hery famoretana ny hafa. Mamerina ny lalao maloto efa niadiana sy nampipoaka ny tolona ary nampirodana fitondrana.
Mendrika lalao madio ny eny ambonin’ny kianja hiseharana politika eto Madagasikara. Tsy afaka ny handroso amin’ny fanovana raha ny ratsy tokony hongotana ifotony indray no hatao fanoitra hoenti-miasa. Tsy tokony homena vahana rahateo ireo efa naloto teo aloha ka mialokaloka amin’ny faharavan’ny fitondrana “volomboasary”. Rehefa vaovao dia vaovao!
Mampieritreritra fa na miezaka ny mivoy ny tsara aza ny Filoham-panjakana sy ireo olona eo an-damosiny hiarovana ny ara-dalàna dia misy ihany ny maningana sy manao volo mpanoha-randrana. Toa mampiseho sahady fa tsy vonona ny hanova. Ireny anefa no mety ho singam-bolo handavo ny vositra sy hanimba ny tolona nimatimatesana.
Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra kosa anefa aloha hoe mahavita na tsy mahavita amin’izao fotoana izao. Vao miainga rahateo ny Tetezamita. Voalaza fa ho roa taona ny faharetany raha ela indrindra. Iray volana no lasa, mety tsy ampy hanaovana tombana sahady. Mbola vao miroso amin’ny famafana trano sy fanesorana ny fako ny manampahefana.
Enga anie mba ho lalao madio fotsiny no ho avy eo.
r.r




