Tsinan’alakaosy, amin’ny fanandroana isa lava. Miezaka mamerina ny “Alakaosibe”, fomba natao hanandratana ny vahoaka ireo mpitana sy mamelo-maso ny fomban-drazana.
Fomban-drazana fanao eo amin’ny tsinambolan’ny alakaosy, izany hoe, mijoro eo amin’ny vava andro alakaosy ary reniandro alakaosy ny “Alakaosibe”, raha ara-panandroana. Araka ny fanazavana nomen’ireo mpandala ny fomban-drazana, izay mivondrona ao amin’ ny Tsy mamorona fa Mamelomaso, fankalazana fahatelo io raha amin’ny taona gasy, aorian’ny “Alahamadibe” sy ny “Alahasatibe”. “Ny Alakaosibe no fanandratana ny hasin’ny vahoaka. Ilaina ny vahoaka matanjaka raha tiana ny hampatanjaka ny fanjakana iray. Izay no antony lehibe mahatonga ny mpitondra nanana tanjaka satria nanatanteraka ny fomban-drazana”, hoy ny fanazavana nomen’ny mpitarika iray ao amin’ny vondrona Tsy mamorona fa Mamelomaso.
Niditra omaly 19 novambra, mitohy anio 20 novambra, ny “Alakaosibe”. Vohitra maro no mankalaza izany hatramin’ izay, toy ny any Ambohimanambola, Ankazobe, Ambohimanga, Fandrazavana, Ambonga, Mangabe, Ambatofahavalo, sns. Niampy ireo efa niverina an-doharano, ka nanohy indray ny fankalazana izany. Nosafidiana kosa ny vohitr’ Amboatany tamin’ity nankalazana ny ivon’ny “Alakaosibe”. Toa ny fanao isan-taona, natomboka tamin’ny fidiovana, fanasinana ary ny lamalama izany, omaly. Anio kosa ny tolotra hasina sy tsisika, arahin’ ny joro, ny tsodrano, ny zara hasina ary ny dihin’ny Ntaolo.
Raha tsiahivina, mbola fotoan-dehibe noho ny “Alahamadibe” ny “Alakaosibe”, tamin’ ny andro taloha. Lasa niafina ireo nankalaza izany, nandritra ny vanim-potoan’ny fanjanahantany, noho ny fanenjehana azy ireo. “Tsy mbola niato mihitsy ny fankalazana amin’ireo vohitra maromaro, na teo aza ny fanenjehana. Amin’izao fotoana izao, tsapa fa efa miverina an-doharano ny Malagasy ka miverina amin’ny fombany ihany koa”, hoy ny fanazavan’ny mpanazary iray. “Rehefa tonga ny Alakaosibe dia miresaka hatrany ireo raiamandreny teo aloha fa misokatra ny lanitra ary eo no fotoana tsara indrindra hampitana ny hataka amin’Andriamanitra Andriananahary mivantana. Io ny fotoana handihizan’ny varatra ary miraondraona ny kotroka…”, hoy kosa ny nambaran’ny iray hafa.
Ankoatra ny maha fotoana fanandratana ny hasin’ny vahoaka azy, fanandratana ny sampy ihany koa eo. Fitaovana natao hiarovana ny tena, ny fianakaviana na ny fanjakana iray io, ka misy ny sampim-pianakaviana ary misy ny sampim-panjakana. Rehefa nihalefy ny fampiasana ny sampy dia ny “ody fiaro” sy ny “famato” sisa no nohasinina sy nasandratra mandraka ankehitriny.
Nangonin’i Zo ny Aina




