Mois : novembre 2025

TSELATRA

Efa hita omaly avokoa ireo olona enina nanao­vana fikarohana tamin’ny tambajotra an-tserasera. Tsy nahazahoana vaovao kosa ny antony tsy nahitana azy ireo. Marihina fa tsy hita popoka nanomboka ny sabotsy tolakandro teo, teto Antananarivo izy rehetra ireo. Nisy antso an-tariby nanafatra azy ireo ho any Anosiavaratra, ny sabotsy tamin’ny 9 […]

Haintrano tetsy Andavamamba : Rangahy iray may kilan’ny afo tao an-tranony

Nitrangana haintrano na­mo­izana aina indray tetsy amin’ny Cité Tanambao Anda­vamamba, Andavama­mba Anjezika II, boriborintany voalohany, omaly maraina ta­min’ny 10 ora latsaka fah­fany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny lehilahy iray, manodidina ny 50 taona. Raha ny fanazavana voaray amin’ny mponina manodidina, mipetra-drery io rangahy maty io. Trano biriky nahitana efitra […]

Ady tany any Antsihanaka: Izay manana taratasy ara-dalàna no tompony

Nihaona tamin’ny mpitandro filaminana sy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany tao Tangorona, ireo vondron’ olona milaza fa tompon-tany ara-dalàna any Antsihanaka, ny Alakamisy lasa teo. Nanamarina ampahibemaso ny tomponandraikitra fa izay manana taratasy ara-dalàna (bokin-tany na kara-tany) ihany no tompony sy afaka mamboly ary mioty ny vokatra aminy. ” Midika izany fa […]

Tsimbazaza : Ankizilahy fito taona, novonoina sy natsipy tao anaty lakandrano

Narian’ireo tsy mataho-tody tao anaty lakandrano iray tetsy Tsarafaritra Tsimbazaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja. Nahitana diam-pamaky miisa dimy tao amin’ny faritry ny lohany aoriana. Hita faty tao anaty lakandrano iray, tetsy Tsara­faritra Tsimba­zaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja, ny alin’ny zoma mankany amin’ny […]