Mois : novembre 2025

Mpilaravinahitra iharan’ny herisetra: Nofanina ireo mpandray an-tanana

Naharitra roa andro ny fiofanana mahakasika ny fihainoana sy ny fandraisana an-tanana ny mpiasa nifindra mo­nina niharan’ny herisetra ka niverina an-tanindrazana, natao teny Anosy, tamin’ity he­­rinandro ity. Anisan’ireo tena iharan’izany sy fantatry ny maro ireo vehivavy mpilaravinahitra any amin’ny tany arabo toy ny any Koweit. Misy very saina tanteraka mihitsy […]

Fikaonandoham-pirenena kristianina: Fotoana handraisan’ny mpino an-tanana ny firenena

Hotanterahina ny 19 novambra ka hatramin’ny 21 novambra ho avy izao ny fikaonandoham-pirenena kristianina voalohany, eny amin’ny ISTS katolika Mandrimena, Iavoloha, karakarain’ny Fikambanana mampiely Baiboly eto Madagasikara. Fotoana ireo hanasana ny kristianina te hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fanarenana ny firenena, haharitra hateloana. Na anaty […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra ny 20 novambra ho avy izao ny taom-piotazana letisia 2025, araka ny tinapaky ny Vondrona mpanondrana letisia (Gel). Hisokatra anio 14 novambra, ny Birao tokana, hikarakarana ny antontan-taratasy ilain’ny mpisehatra rehetra. Miondrana any Eoropa ny 90% ny letisia avy aty Madagasikara, ary any Rosia sy Emirats Arabo Mitambatra ny […]

« PLFI 2026 »: Fitaovana hampandrosoana ny toekarena ny hetra

«Tsy loharanom-bola fotsiny ny hetra fa tena fitaovana politika ara-toekarena », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Rami­ari­son Herinjatovo. Miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena sy hanatsarana ny lafiny sosialin’ny mponina ny fomba fijerin’ny fitondram-panjakana ny hetra. Misongadina izany ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI 2026) izay mikendry […]

JPM : Hanome tantsoroka ny fandraharahana

Fametrahana sehatra tsy miankina mamiratra, maharitra ary feno fahombiazana ho an’i Madagasikara, ireo ny foto-kevitra hijoroan’ny « Jeune patronat de Madagascar (JPM) ». Omaly, nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, Rasoarahona Andriniaina, ny mpikambana ao amin’ny JPM. Nohazavain’izy ireo nandritra izany ny vinan’ny hetsika […]