Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Sooatel 67 Ha, ny lanonana fanolorana fankasitrahana an’ireo mpilalao tsipy kanetibe, izay nitondra avo ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Teo koa ireo mpilalao nahazo vokatra tsara tamin’ny fifaninanam-pirenena. Fantatra, nandritra io lanonana io, fa handeha hilaravinahitra any ivelany, any Frantsa, ry Yves […]
Mois : novembre 2025
« African Parkour Tour »: Ny « Fahazavana» an’ny Traceur Gasy tany Maorisy
Notanterahina tany Maorisy, ny 7 sy 8 novambra lasa teo, ny fampisehoana sy fifampizarana nataon’ny fikambanana Traceur Gasy, eo amin’ny taranja Parkour. Fampisehoana mitondra ny lohateny hoe “Fahazavana” no nentin’izy ireo, nahitana an’i Faliniaina Antonio, Ranaivomanana Serge ary Ranaivomanana Toky. Tamin’ny alalan’ny “Théâtre physique” sy “poésie urbaine” no nanehoan’izy telo […]
Barean’i Madagasikara: Betsaka ireo mpilalao nosoloina tamin’ny ora farany
Tsy araka ilay lisitra navoakan’i Corentin Martins ny zava-misy eo anivon’ny Barean’i Madagasikara. Miova hatrany ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalao hifanandrinana amin’i Guinée Equatoriale. Araka ny tati-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, misy fiovana ny firafitry ny mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara, hidona […]
TSELATRA
Mpamily taxi-be 015 sy mpanampy azy samy nohazonin’ny polisy rehefa tratra nandika lalàna teny amin’ny Rond point Isotry, ny 11 novambra teo. Nihodina an-dalana izy roa lahy ary mbola nanevateva ny mpitandro filaminana. Naiditra am-balam-pamonjana avy hatrany ny fiara. Dahalo mpaka an-keriny lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, avotra ilay takalonaina tao […]
Namono zazavavy 7 taona : Roa lahy voasazy higadra mandra-pahafaty
Nahazo didy avy amin’ny fitsarana heloka bevava ao Fianarantsoa hisazy asa an-terivozona mandra-pahafaty ireo roa lahy namono nahafaty an’i Miley kely, omaly. Voasambotra ny 17 novambra 2024 lasa teo ny olona miisa telo voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’io vonoan’olona mahatsiravina, tao atsimon’ny Lysea Raherivelo Ramamonjy, ao Fianarantsoa, io. Nifampitadiavan’ny fianakaviany […]




