Mois : novembre 2025

«TBF andiany faha-10» : Kendrena manokana ny mpizahatany eto an-toerana

Nanomboka omaly, ny Tsenaben’ny fizahantany (TBF). Hiavaka noho ny teo aloha ity andiany faha-10 ity, satria matihanina miisa 20 no hitondra tolotra vaovao ho an’ny mpitsidika, indrindra ny teratany. Atao ny 13, 14 ary 15 no­vambra izao ny Tsena­ben’ny fizahantany (TBF) andiany faha-10. Mia­raka mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy […]

TARATRY ny KANTO

« Soraty ho tadidy ». Hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny Alliance Française Andavamamba ny tarika Solika. « Ndao hiara-hikalo indray ireo hira fahiny, tsy afaka am-bavantsika hatramin’izao », hoy izy ireo raha nanasa ny olon-drehetra ho tonga eny an-toerana, ny zoma 5 desambra izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Marihina fa iray amin’ireo […]

« Festival d’Art Urbain X » : Hakaton’ny « Be-Art » ny ranty 2025

Haikanton’ny tanàn-dehibe. Hotanterahina eny amin’ny La Teinturerie Ampasani­malo ny « Be-art ». Fampiran­tiana farany eny an-toerana amin’ity taona 2025 ity. Mpanakanto maromaro hamadika ireo toerana ivezivezen’ny olona maro ho tonga fihaonan’ny adihevitra isan-karazany sy sehatra famoronana ary fanalana ireo asa saina mavesatra no hanatanteraka ny ranty eny an-toerana, manomboka ny 21 novambra […]

Fakan-kevitra momba ny kolontsaina : Nafana ny resaka sarimihetsika, fomba, Omda, sns

Samy nanaposaka ny heviny. Tao ny sokajy nilamindamina kokoa, fa nisy kosa ireo nahitana adihevitra nafana. Voaresaka avokoa ny olan’ny sehatra rehetra manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny harembakoka, omaly. Ambohi-pihaonan’ireo mpi­sehatra rehetra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina teny Anosy, oma­ly. Namaly ny fanasan’ny minisiteran’ny Seraasera sy ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiverina amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) ny fitantanana sy fikarakarana ny Kianjan’ny Barea Mahamasina. Natao izany, hahafahana mandray an-tanana ny fanohizana ny asa mifandraika amin’ny fepetra takin’ny Kaofederasionina afrikanina (Caf), hahazoan’ny kianja fankatoavana. Ny volana janoary, amin’ny taona 2026 izao, no hametraka ny taratasy fangatahana hahazoana fankatoavana ho […]