Mampitaintaina ny maro ny mety tsy hisian’ireo fitaovana fandrindram-piterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana… Mandalo krizy mihitsy izany noho ny fialan’ireo mpamatsy vola. Natao tany Bogota, renivohitr’i Colombie, tamin’iny herinandro iny, ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fahasalamana ara-pananahana (ICFP 2025) andiany fahafito. Mampivarahontsana ny mpizaika ny fahitana […]
Mois : novembre 2025
Filoha Randrianirina Michael sy ny Sadc: « Hiezaka amin’ny dingan’ny fanavaozana izahay »
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana tsy ara-potoana nampitain-davitra eo amin’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany, sady sambany, ny filoha ny Kly Randrianirina Michael. Notsiahiviny tamin’izany ny fanapahan-kevitr’i Madagasikara amin’ny fialana tsy ho mpitantana ny Sadc. « Ezaka ataonay izao ny fifantohana ny fanatanterahana ny […]
Raharaha Cnaps sy SMGD: Nosavaina ny tranon’ Andriantsitohaina Naina
Nosavaina omaly ny tranon’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, etsy Andranobevava. Nanatanteraka izany ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily. Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny anton’izany ny «Raharaha Cnaps sy ny SMGD», orinasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hita teny an-toerana, tamin’ny fisavana anefa, ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, […]
Baolina kitra : Mila maneho ohatra tsara ireo kalaza
Nanao antso avo amin’ireo mpilalao kalaza teo aloha, miandrandra fandrosoana amin’ny baolina kitra, ny lehiben’ny klioba Ajesaia, Ravelonarivo Jasmina. “Atombohy aminareo aloha ny fampandrosoana ny baolina kitra. Jereo ny tany niaviana, jereo ny klioba namolavola anareo. Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy hetsika fanampiana ho an’ny klioba niaviana,” hoy izy. Nilaza […]
« Ankizy milalao»: Nahavory kilonga miisa arivo mahery
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Azo lazaina fa nahomby tanteraka ny hetsika izay nokarakarain’ ny Analakely Football Academy (AFA) tamin’ity, satria nahatratra 1 200 isa teo ireo ankizy mpilalao baolina kitra tonga teny an-toerana. Nisy ny natao […]




