Mois : novembre 2025

FANTINA sy FINTINA

Miantso fanarahan-dalàna ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. “Tokony hanara-dalàna isika amin’ ny toerana sasantsasany amin’ireo ben’ny Tanàna sy lehibem-pokontany, misy korontana na fisavorovo­roana kely”, hoy izy. Hentitra ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Rabe­arimanana Lucien. Mitaky fiovana toe-tsaina ny fanovana, […]

Ankolafy Rajoelina : « Ny fifampiresahana ihany no vahaolana »

Anisan’ireo nifampiresaka tamin’ny delegasionin’ny Von­drona afrikanina (UA), notarihin’i Mohamed Idriss Farah sy i Domitien Ndayizeye, ireo mpomba sy mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, tetsy Ivandry, ny ala­hady teo. Nambaran’izy ireo fa tsy mangina na mitazam-potsiny ny avy amin’ny ankolafy Rajo­elina manoloana ny raharaham-pirenena. Mandray an­jara hatrany mitady vahaolana […]

Fanovana… ifankahazoana

  Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vaho­aka no hoe tompon’ny fahefana, tompon’ny teny farany. Izy ihany koa no antom-pisian’ny mpitondra. Ho an’ny vahoaka izay ataon’ny mpitondra. Tokony hisy fiantrai­kany amin’ny fiainany andavanandro mandavantaona izany. Ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Lanja miakatra! Araka izany, mahalala izay mahazo […]

SMGD- Naina Andriantsitohaina: « Tsy misy idiran’ny vadiny », hoy ny Me Andrianarivoson Nicole

Mbola tazomin’ny Bianco, eny Ambohibao, ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. « Tsy misy idirany ny raharahan’ny SMDG sy ny kaominina. Mampieritreritra ny fitazomana azy », hoy ny mpisolovava, Me Andrianarivoson Nicole. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antani­me­na, omaly, ny Mpisolo­vava ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. No­tsiahiviny ny tranga […]

Sendikà Triade: Nivaly sahady ny fitakiana

Taorian’ny fihaonambe na­taon’ny sendikàn’ny Triade (dokotera, paramedy, mpandraharaha), ny faran’ny herinandro teo, no nahafantarana fa efa nivaly ny ampahany amin’ny fitakiana ataon’izy ireo. Efa hiakatra 14% ny karaman’ny mpiasan’ny fahasalamana. Nahazo ny tambiny ho an’ny hofan-trano 200 000 Ar ihany koa izy ireo. Ankoatra izay, ny tambiny amin’ny risika eo […]