Mois : novembre 2025

“Muay Thai Tournament 3” : Ady 17 no hitranga any Toamasina

Hotanterahina any Toamasina, ny 23 novambra izao, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, karakarain’ny GISL. Efa vonona tanteraka ny fanatanterahana ity fifaninanana ity. Raikitra ny fifaninanana! Andro sisa andrasana, araka ny nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas, avy amin’ny ny GISL (Grande île sports loisirs) mpikarakara. Efa roa herinandro izao no nan­deha […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa ny sabotsy teo ny “Sehatra BaGasy”, tamin’ity volana novambra ity. Nisy ny “Fampitaha” izay nifanandrinan’ny lehilahy sy ny vehivavy, tao amin’ny sehatry ny Aro Antsahavola. Tsy nisy resy sy mpandresy fa nampiakatra avo ny zavakanto amin’ny alalan’ny famerenana ireo hiran’ny omaly sy ny hira teatraly izany. Mbola hisy ny […]

« Prix Découverte RFI 2025 »: Handrandraina indray ny Malagasy mpanakanto

Lala-masaka ho an’ny mozika malagasy ny « Prix Découverte RFI ». Miandrandra izay mpanakanto hisongadina amin’ity taona ity ny rehetra. Maro ireo Malagasy mpanakanto efa na­songa­din’ny «Prix Découverte RFI». Misokatra indray izao ny fifaninanana ho an’ireo mpanakanto mpanao mozika aty amin’ny faritry ny ranomasimbe In­dianina, Afri­que ary Caraïbes. Manana ha­tramin’ny 20 no­vambra […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 92 ny mpiofana momba ny fiompiana trondro tany amin’ny fokontany Isifotra, kaominina Analavoka, distrika Ihosy, ny 8 novambra teo. Fiofanana fiompiana trondro an-tanimbary sy fanamborana ny sakafon-trondro ary fitantanana, izay hita fa tena nahaliana azy ireo. Vonona ny hampihatra ny fahalalana nozaraina taminy izy ireo, ahafahana manatsara ny velon-tena […]