Araka ny vaovao hita omaly, hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra indray ny fanombohan’ny lalao ho an’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Tsy nanome ny antony mazava amin’izay mety nampihemotra izany moa ny eo anivon’ny ligy. Marihina fa tokony natomboka anio izany fifaninanana eto an-dRenivohitra izany. Anatin’ny fiomanana tanteraka ny mpikarakara […]
Mois : novembre 2025
Rugby – “XXL Top 12”: Donan’ny samy kartie ny an’ny CEA sy TFA
Hiditra amin’ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby D1 “XXL Top 12”. Fihaonana hatao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso 9 novambra. Lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny TFA Anatihazo. Donan’ny samy kartie ary heverina ho toy ny famarananakely mihitsy. Tsy hifampikoso-maso ny roa […]
Herinandron’ny karate : Hatao eto Analamanga ny “Mada isan-tarika”
Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 15 hatramin’ny 20 desambra izao, ny herinandron’ny Karate-do eto Madagasikara. Hizara roa mazava tsara ny fandaharam-potoana amin’izany ka, ny 15 hatramin’ny 17 desambra no nanatontosana ilay Gashuku nasionaly, izay hanomezana fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ary mpandraharaha nasionaly eo anivon’ny taranja karate. […]
Barean’i Madagasikara : Roa ihany ny mpilalao avy eto an-toerana
Mpilalao 22 nantsoin’i Corentin Martins, hiatrika ilay lalao ara-pirahalahiana, hihaonana amin’i Guinée Equatoriale, any Torkia, ny 17 novambra ho avy izao. “Roa ihany !” Ramandimbisoa Michel, na i Toldo, sy Rabemanantsoa Radoniaina, no hany mpilalao avy eto an-toerana, tazana anatin’ny lisitry ny Barea A, nivoaka omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Mitotaly […]
INDRAY MIJERY
Noraisin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny tambajotran’ireo olona manana fahasembanana, omaly. Teo koa ny federasionin’ny olona manana olana ara-pihainoana niaraka tamin’ny solontenan’ireo mpandika teny tanana. Maro ny lohahevitra niaraha-nidinika ka anisan’izany ny fampitomboana ireo mpanao dikanteny tanana amin’ny haino aman-jery. Manamarika ny faha-40 taona nijoroany ny Akanin’ny Marenina […]




