Maro ny zavatra tsy azo atao momba ny fanjifana sigara sy paraky eto Madagasikara. Anisan’izany ny tsy fahazoana mifoka sigara eny amin’ny toerana ivezivezen’ny olona. Tsy fahafahan’ny ankizy latsaky ny 18 taona mividy sigara. Tsy fahafahana manao dokambarotra amin’ny fivarotana ireo vokatra ireo. Tsy azo atao ny manentana na mandoka […]
Mois : novembre 2025
Gen Z Madagascar: Vonona hanohitra ny tsy mety
Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny Gen Z Madagascar, omaly, tetsy Ampandrana. Maro ny tolo-kevitra nentin’izy ireo manoloana ny fijoroan’ny fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny filazana fa vonona hanao fanadihadiana tamin’ny zavatra tsy nety teo aloha izy ireo. Anisan’ny notakina koa ny hamongorana ny kolikoly amin’ny endriny rehetra […]
Fampianarana : Tapitra ny fitokonana, hiasa amin’izay ny mpampianatra
Hamerina ny hasin’ny mpampianatra ny fanovana entina. Manaporofo izany ny fifanekena voarakitra sy nifaranahana tamin’ny fanjakana. Miverina miasa daholo amin’izay ny mpampianatra. Nanapa-kevitra ny hiverina mampianatra amin’izay ireo mpampianatra nitokona. Hiverina an-dakilasy hampianatra izy ireo amin’ny alatsinainy ary mampahafantatra izany amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Niravina ny olana satria […]
TARATRY ny KANTO
« Instant Jazz » eny amin’ny Fara West Faravohitra. Haka endrika masterclass indray ny fiarahana anio, amin’ny 10 ora sy sasany. Manodidina ny lohahevitra « Ny kolontsaina Betsileo sy ny hareny anatin’ny famoronana ara-javakanto » no hitondrana fampahafantarana mandritra izany. Hitarika ny fotoana ry Mamy Ralaivita, Tsanta Nasandratra ary i Dina Mialinelina. […]
Sehatra bagasy: Omen-danja ny hiran’ny vehivavy…
… Tsy ho diso anjara ihany koa, anefa, ny hiran’ny lehilahy! Hiavaka ny anio raha oharina tamin’ireo andiany teo aloha. «Zara sehatra» hiarahana amin’ny Sehatra bagasy izay hanomezan-danja ny hiran’ny vehivavy. Fampisehoana sy fifampizarana hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano malalaky […]




