Voasambotry ny mpiasan’ny ladoany ao Nosy Be, ny sabotsy 13 desambra, ny lehilahy teratany Letton (avy any Letonia) iray. Tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam- pirenena Nosy Be izy, saika hanondrana zava-mahadomelina hihazo an’i La Réunion tamin’ny zotra Air Austral.
Nampiahiahy ny mpiasan’ny Fadintseranana ny entana nentiny, ka nasain’izy ireo nosokafana avy hatrany. Rehefa natao ny fitsirihana, nahitana rongony milanja 8,5 kg, ka « haschich » ny 5,5 kg ary « Cocaïne » ny manodidina ny 3 kg ambiny.
Notanana avy hatrany ilay lehilahy, mitohy ny fanadihadiana hamantarana ny fiavian’ireo rongony ireo sy ny mety ho fisian’ny tambajotra iraisam-pirenena ao ambadika.
Tsy vao izao no nisian’ny fahatrarana mpandeha mitondra zava-mahadomelina eny amin’ny seranam-piaramanidina. Ankoatra ny fisavana mivantana toy ity natao ity, misy fomba hafa koa hitiliana ny entan’ny mpandeha, toy ny « scanner ». Fa manana alika mpitsongo-dia ihany koa ny Ladoany, nofanina manokana hamantatra ny zava-mahadomelina.
Njaka A.




