Mois : décembre 2025
Tsipy kanetibe Analamanga: amin’ny 24 janoary ny fivoriambe
Tsy miandry ela fa miditra amin’ny asa avy hatrany ny filohan’ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe vaovao, Andriantsiferana Ravaka. Hisantatra ny fandaharam-potoany ho an’ny taona 2026 ny fivoriambe. Araka ny tati-baovao avy aminy, hotanterahina ny sabotsy 24 janoary izany. Io ihany koa no fihaonana amin’ireo klioba rehetra mivondrona ao anatin’ny ligy […]
“Can 2025”: nihintsana ny ekipa nasionalin’i Comores
Izay aloha no vita! Nifarana afakomaly, ny dian’ny Coelacanthes Comores, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”, tanterahina atsy Maroc ity. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny fihaonana teo aminy sy ny Aigle de Mali, nandritra ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona, “A”. Raha nahita […]
Basikety-Analamanga: hamerina ny firaisankinan’ny ligy sy seksionina ny filoha vaovao
Ny famerenana ny firaisankinan’ny ligy sy ireo seksionina mandrafitra azy no vina lehibe voalohany hapetraky ny filohan’ny ligin’Analamanga vaovao, Maître Ratovonjanahary Haingo Mampionona, amin’izao fandraisany ny fitantanana izao. Mialoha izay anefa, asa miandry ny fanaovana ny sata sy ny fitsipika anatiny mifehy ny ligin’Analamanga. Miankina amin’ny firaisankina no hanatrarana ny […]
Niady mivady: raim-pianakaviana maty teny amoron-dranomasina
Hita faty teo am-bodihazo iray, teny amoron-dranomasina ampitan’ny tetezana mankany amin’ny Hopitaly Be, ny alin’ny zoma 26 desambra hifoha ny sabotsy teo, ny raim-pianakaviana iray. Hita nitsitra efa tsy nisy aina intsony niaraka tamin’ny fitaovana mbola teny aminy izy. Mpanjono hafa handeha handriaka maraina no nahita ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io […]




