Mois : décembre 2025

TSELATRA

Lehilahy iray 23 taona, voasambotry ny polisy tetsy Andavamamba Ambilanibe, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora tolakandro. Voarohirohy nangalatra sy mi­vondrona ao anatin’ny fikambanan-jiolahy manao fanafi­hana mitam-piadiana izy io. Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olon-tsotra lasibatra ny 16 novambra lasa teo, no nahafahana nisambotra azy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany, ny vola 600 000 […]

Fanafihana mitam-piadiana : Teratany sinoa voatafika sy voaroba

Mirongatra izaitsizy ny fa­nafihana mitam-piadiana ao Toamasina ankehitriny. Tera­tany sinoa iray notafihan’ny jiolahy miisa dimy, tany Tana­makoa parisela 12/14, ny sa­botsy alina hifoha alahady lasa teo. Voaroba tamin’izany, ny vola, ny basy ary ny finday maro. Nihanika tamboho iray mifanila-bodirindrina tamin’ny trano nokendrena, ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo […]

Tra-tehaka teny Andoharanofotsy : Jiolahy 11 nahatrarana fiara sy zava-mahadomelina

Mitohy ny fisamborana sy famongoran’ny mpitandro filaminana ireo mpanao asa ratsy eto amin’ny Nosy. Jiolahy miisa 11 voasambotry ny zandary avy eny Andoharanofotsy ny sabotsy maraina lasa teo. Nahatrarana fiara roa sy karazana zava-mahadomelina tany amin’izy ireo. Manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana sy asa fanendahana eny an-toerana, nifarimbona ny mpitandro […]