Notokanana, omaly, ny fotodrafitrasa vavahady « Arche Malaga », an’ny orinasa Filatex Properties, ao anatin’ny Vondrona Filatex, eny amin’ny trano fonenana, akaikin’ny Marais Masay Antananarivo. Mampiavaka azy, ilay artista mpanao hosodoko afrikana tatsimo, Esther Mahlangu, 90 taona, fanta-daza maneran-tany amin’ny haitao Ndébélé no nampihaingo sy nandoko ity fotodrafitrasa ity. 90 taona i […]
Mois : décembre 2025
Lapan’ny fanatanjahantena : Nahatanteraka ny fanambiny i Momota
Andro vitsivitsy nialohan’ny fampisehoana. Hoy i Momota : « hitondra zava-baovao ho an’ny ankizy izahay. Asehonay koa fa izahay mahafeno Palais des sports ». Izay tokoa ny zava-nisy tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, omaly, nandritra ny fampisehoana nampitondraina ny lohateny : « Cirque Momota Tic Tac Show ». Tafiditra tao anatin’ity seho ity avokoa […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanomboka anio ny fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe. Mampitohy ny gara Soarano hatrany Ambohimanambola. Natao ny andrana ny zoma lasa teo. Ary nitohy ny sabotsy ny fampahafantarana sy ny fanentanana ny olona manodidina ny zotra an-dalamby ny fisiany, fa indrindra ny fepetra tsy maintsy hajaina sy arahina. Nisokatra nanomboka ny 8 desambra […]
Orge malagasy : Manan-danja saingy tandindomin-doza
Zavamaniry avadika ho lasa « malt » ny orge, ilaina amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mamboly azy ny tantsaha malagasy, maherin’ny 20 000, mamatsy ny orinasa Malto, sampana orinasa an’ny Star. Niavaka sady tsara ny vokatra tamin’ity taom- pamokarana 2025 ity, satria tafakatra 11 300 t ny orge voaangona tany Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra […]
Ladoany : Mitombo ny fandanian’ ny « transitaires »
Misedra olana ireo mpandraharaha ao anatin’ny vondrona fampivondronana entana (groupage) avy any ivelany. Mitombo ny fandanian’izy ireo ka miteraka fatiantoka, vokatry ny fitsipika vaovao napetraky ny sampandraharahan’ny Fadintseranana. Nambaran-dRandrianarisoa Rivo, mpikambana ao anatin’ity vondrona mpandraharaha ity, fa tsy misy afa-tsy kaontenera iray isan’andro sisa no vitan’ny mpiasan’ny Ladoany tsirihina. Marobe […]




