Mois : décembre 2025

INDRAY MIJERY

Nitsidika an’i Manakara, ny herinandro teo, ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nanolotra fitaovana hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny faritra. Kodiarandroa miisa 100 ho an’ireo lehiben’ny CSB, “groupe électrogène” ho an’ny hopitaly “CHRR Manakara” ary fiara tsy mataho-dalana ho an’ ny talem-paritry ny fahasalamana. […]

Radio Oasis : Tsangam-baton’ny faha-25 taona ny Studio vaovao

25 taona ny radio Oasis Tana ary nomarihina ny faran’ ny herinandro lasa teo, teny Soamanandrariny, ny fanakatonana ny fankalazana. Radio miankina amin’ny fiangonana advantista ny radio Oasis ary mivoy ny ara-panahy, ara-tsaina sy ara-batana ary ara-piarahamonina. Ny fandaharana vokarina rehetra sy ny fanentanana samihafa dia mifandraika amin’ireo avokoa. Tan­jon’ny […]

Fampiananarana ambony : Nijery ny fametrahana « panneaux solaires »

Nijery ifotony ny fizotry ny asa fametrahana “panneaux solaires” avy amin’ny fitondram-panjakana tao amin’ny oniversiten’i Toliara ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy tamin’ity herinandro ity, nandritra ny fandalovany ao an-toerana. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny paikady nasionaly hanamafisana ny fahaleovantenan’ny oniversite amin’ny la­finy […]

ONG Ketsa : Misitraka “Herinandron’ny fahasa­lamana” ny mponin’i Vontovorona

Mahasarika olona maro ny hetsika ara-pahasalamana eny Vontovorona. Ahitana fizahana maso, fijerena nify ary fizahana diabeta izany. Natomboka tamin’ny fo­mba ofisialy teny Von­to­vorona, ny sabotsy teo, ny “Herinandron’ny fahasalamana”. Hetsika karaka­rain’ny ONG Ketsa, iarahany miasa amin’ny Lions club In­terna­tional Analamanga. Na­nom­boka ny 13 hatramin’ny 18 desambra hoavy izao ny hetsika. […]

FANTINA sy FINTINA

Nijoro ny vovonana nasionaly GenXYZ. Tan­jon’izy ireo ny handray andraikitra hanarina ny firenena. Eo koa ny fitakian’izy ireo ny fanovana rafitra mika­tsaka ny tombontsoam-bahoaka. Na izany aza, nanambara izy ireo fa manohana ny fitondrana. «Tsy hisafosafo fa hiteny hanitsy raha misy ny tsy mety», hoy izy ireo. Nodisoin’ny Tim ny […]