Mois : décembre 2025

Fiara tapaka hisatra : Mpianaka maty nofaohin’ny 4×4

Tsy tana ny ain’ireo mpianaka lasibatry ny lozam-pifamoivoizana tao Ambatondrazaka, afakomaly. Zaza folo taona nofaohin’ilay 4×4 ary nifatratra tamin’ny renim-pianakaviana iray hafa taorian’io. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizan’aina indray tao amin’ ny fokontany Antanifotsy, Ambatondrazaka, ny marain’ ny sabotsy 13 desambra teo, tamin’ny 9 ora. Nandeha mafy avy amin’ny lalana midina ny […]

Fampananana asa : Niara-namaha olana ny minisitera sy ny orinasa

Nanao atrikasa tetsy Anosy, omaly, ny eo anivon’ny mini­siteran’ny Asa, notarihin’ny minisitra Florent Soatiana Bety Leonne sy ireo solontenan’ny vondron’orinasa. Nam­baran’ny minisitra fa natao izao atrikasa izao hahafahana mandeha any amin’ny fanavaozana sy hametrahana ny laharam-pahamehana, amin’ ny alalan’ny fampanana asa. « Miaraka hatrany ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. […]

Tetikasa IFADEM: Hiitatra amin’ny faritra 23 ny fanatanterahana azy

Nanatrika ny fivorian’ny Firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Francophonie), tany Dakar, Sénégal, ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr Hanitriniaina Elys Karena, tamin’ity herinandro ity. Tanjona amin’ity atrikasa ity ny hanaovana jery todika ny “Initiative francophone pour la formation à distance des maîtres” (Ifa­dem). Tetikasa vatsian’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Horaisin’ny fanjakana ny fitantanana ireo fananan’ny Madarail. Voakasik’izany ny any Toama­sina sy Mantasoa ary eto Antananarivo. Tsikaritra fa nisy fampanofana tany sy trano tamin’ny Madarail Immobilier (mpanofa) nataon’ny Madarail SA (mpampanofa). Fotodrafitrasa maro toy ny trano, tany marobe ary toby fiantsonan’ny fiaran-dalamby ireo toerana ireo. Tsy azo amidy na afindra […]