Zava-baovao no haseho. Anisan’ny fampanantenana nataon’i Momota sy ny ekipany, miaraka amin’ny mpikarakara io, omaly. « Cirque Momota Tic Tac Show » ny lohateniny, izay hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. « Hitondra zava-baovao ho an’ny ankizy izahay, asehonay koa fa izahay mahafeno Palais […]
Mois : décembre 2025
Rugby – “XXL Top 12”: Hifampitady ny Uscar sy ny CEA Andranomanalina
Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny hisongadina ny fifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny Uscar Antananarivo Renivohitra. Hitohy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapaneka, toa ny mahazatra ny fifanintsanana hiadiana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nitory ny filoha Rajoelina eny amin’ny Antenimierampirenena ny Gen Z. Nanoratra antontan-kevitra sy fitoriana iampangana azy izy ireo ka miompana amin’ny And. faha-131 ao amin’ny Lalàmpanorenana izany. Anisany ny famadihana tanindrazana sy ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana. Niantso ireo depiote hankato izany izy ireo. Hitohy anio, ao Antsirabe, ny fihaonan’ny […]
Antoko politika : Hofaranana amin’ny fifanarahana ny fikaonandoha
“Aleo ny samy mpanao politika hiaraka hikaondoha sy hifanasa vangy, ary ho tonga amin’ny fifanarahana amin’ny fanaovana politika amin’ny fomba hitondrana ny raharaham-pirenena.” Io ny fanazavan’ny mpandrindra eo anivon’ny Sehatra ifanakalozan’ ny antoko politika eto Madagasikara (Siap) sady sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, momba ny fikaonandohan’ireo antoko politika 60 eo […]
Lavitra andriana
Mampalahelo ny manjo ireo vahoaka any ambanivohitra rehetra any. Toa hanjakazakan’ny manampahefana sy ny tomponandraikitra mba manana ny fahafahana manao izany. Trangam-piarahamonina sady raharaha politika anisan’ny mampitaraina ny mponina ihany koa ny fomba amam-panaon’ny olom-boatendry sasany. Manao tian-kano tsy tia an-kano. Hanairana ny minisitra isan’ambaratonga ny mahakasika ny solontenan’izy […]




