Niara-maty, nirodanan’ny tamboho tao an-trano, ny olona efa-mianaka, omaly, teny Ambavihy, Soavina. Tsy nisy tafavoaka, tototry ny tany, biriky sy béton izy ireo nandritra ny torimasony. Nirodana vokatry ny orambe tsy niato ny tamboho iray tetsy amin’ny fokontany Ambihivy, kaominina Soavina, disitrikan’ Atsimondrano, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma, tamin’ny 11 […]
Mois : décembre 2025
D 2 Nasionaly – Ambohidratrimo : Ho fantatra anio ireo ekipa hanao famaranana
Hotontosaina, anio, eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro farany fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Poule des AS”, diviziona faharoa nasionaly. Ho fantatra anio, araka izany, ny anaran’ireo klioba roa hiatrika ny dingan’ny famaranana ho an’ireo klioba mifanintsana any Ambohidratrimo. Raha ny filaharana vonjimaika navoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, tao amin’ […]
SOMBIM-BAOVAO
Efa ao anatin’ny fanomanana tsara ilay fifanintsanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja baolina kitra, ny Barea zandriny, lehilahy sy vehivavy. Tonga nijery ny fanazarantena izay nataon’izy ireo, tetsy Mahamasina, ny talata teo, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, Randriamanampisoa Alfred. Tsiahivina fa ity hetsika ity izay hatao any Maurice, […]
Handball : Hampiantrano fiofanana i Madagasikara
Namoaka ny fandaharam-potoana mahakasika ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra ho an’ny taom-piasana 2026, ny 20 novambra lasa teo, ny Kaonfederasionina afrikanin’ny handball (CAHB). Anisan’ireo firenena voasafidy hampiantrano izany i Madagasikara. Ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana «IHF Licence D» no hatao amin’izany. Fiaraha-miasan’ny CAHB sy ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), hotanterahina […]
Africa Cup 3×3 : Fantatra ny mpilalao handrafitra ny Ankoay
Nivoaka ofisialy, omaly, ny lisitry ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, Ankoay, hiatrika ny fiadiana “Africa Cup 3×3”, hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 5 hatramin’ny 7 desambra izao. Andro roa tsy hanombohan’ny fifaninanana, fantatra ireo mpilalaon’ny Ankoay hiady ny anaram-boninahitra amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja […]




