Lehilahy mpivarotra entana ilaina andavanandro hita faty tao Ambohidratrimo, omaly maraina. Feno ratra sy ra ny faritry ny lohany. Lehilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Ambohitsiroa atsinanana, kaominina Ambohidratrimo, omaly maraina. Nihosin-dra ny lohany ary ahina ho efa nisy namono ny alina izy, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsikaritry ny […]
Mois : décembre 2025
Toamasina : Tovolahy nanolan-jaza miisa efatra
Ankizivavy latsaky ny folo taona miisa efatra, niaran’ny fanolanana nataona tovolahy iray vao 18 taona tao Analakininina, Toamasina. Notanana am-ponja ilay nahavanon-doza, ny alarobia lasa teo. Naiditra vonjimaika any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny lehilahy iray voatondro ho nanolana zazavavy miisa efatra ny alarobia 10 desambra lasa teo. Zanaka […]
Baolina kitra – Can 2025: Ny Faraonan’i Egypte no nahazo ny amboara be indrindra
Hitodika any Maroc avokoa ny mason’ny mpitia baolina kitra afrikanina, afaka efatra andro. Hanomboka amin’ny alahady 21 desambra izao ny andiany faha-35 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025). Raha ny antontanisa, mbola ny Faraonan’i Egypte hatrany no nandrombaka ny amboara be indrindra. Impito ny egyptianina no nahazo izany. […]
SOMBIM-BAOVAO
Afaka andro vitsy, hanomboka ny Can 2025, taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ity, ny fifanandrinan’i Maroc, mpiampiantrano sy i Comores. Tsara marihina fa i Comores no solontenan’ny ranomasimbe Indianina amin’ity fifanintsanana afrikanina ity. Laharana fahefatra tamin’ny mpikatroka 13 ny judokas malagasy, Rakotomalala Sandaniaina, nandritra […]
Karate-do-Mada isan-tarika: Ekipa 20 no andrasana etsy Mahamasina
Hotanterahina manomboka rahampitso ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny isan-tarika. Manodidina ny 20 eo ny ekipa andrasana amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina, voalohany no notontosaina mitokana ny fifaninanam-pirenena isan-tarika ho an’ny eto Madagasikara. Tafiditra anatin’ny programa apetraky ny Federasionina iraisam-pirenena ny Karate-do izany, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Federasionina, […]




