Hotontosaina ny 21, 27, 28 desambra ho avy izao ny andro voalohany, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Hizara vondrona roa ireo klioba 16 mandray anjara. Raikitra ny baolina! Araka ny loharanom-baovao, nivory tetsy Andoharanofotsy, afakomaly, ny Fikambanan’ny klioba elita amin’ny baolina kitra eto […]
Mois : décembre 2025
Fizaham-pahasalamana maimaimpoana : Vehivavy bevohoka anjatony nisitraka
Nisitraka fitiliana karazany maro, maimaimpoana, tetsy amin’ny CSB II Namontana, ireo vehivavy bevohoka miisa 150, avy amin’ny boriborintany fahefatra, ny talata sy omaly. Nikarakara ny hetsika ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Maro ny tolotra hita teny an-toerana, toy ny fitialiana ny homamiadan’ny nono, ny tsimokaretina VIH/Sida, diabeta, tosidra sy ny maro […]
Rakotoamboa Jean-Louis : “Tokony ho telo na efatra ny antoko politika eto Madagasikara”
“Ny olana eto amin’ny firenena: be loatra ny antoko politika. Misy 300 latsaka kely izany. Te hanao zavatra ho an’ny firenena avokoa izy ireo. Saingy tsy mirindra ary tsy voalamin’ny Malagasy ny fanaovana politika eto Madagasikara”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, ny amin’ny tontolo politika […]
Louis Gaston Randriam : Mampiranty ny sanganasany
Mpanakanto nirona bebe kokoa tamin’ny hosodoko ary fanta-daza amin’izany i Louis Gaston Randriam. Nosokafana omaly ny fampirantiana “Retour à la source”, izay ahitana ireo sanganasany, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Fiverenana an-doharano, fanakaikezana ny fototra nipoirana amin’ny lafiny rehetra, indrindra ny asa famoronana izany ho an’ity mpanakanto ity. “Ny miverina mampiranty […]
Fetin’ny Noely : Hanolotra ny « Iza no antenaiko? » ny Chorale Orimbato
Toy ny mahazatra, hisy hatrany ny Antsa Noely fanaon’ny Choral Orimbato eny Ambatonakanga. Seho klasika hatrany izany, hanasongadinana ny talentan’ireo mpikambana. «Iza no antenaiko?», Antsa Noely atolotry ny Chorale Orimbato, ny alahady 21 desambra amin’ ny 3ora sy sasany hariva, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Andrenesana fehezan-kira mahatratra 12, hivoizana […]




