“Manaraka ny aingam-panahy any fotsiny…”. Fitenin’i Edouard Rajaona rehefa miresaka ny kanto trandrahany io. Nanosika azy no anisan’ireo mpanao sokitra sy hosodoko kalaza indrindra izany. Mitoetra hatrany ireo sanganasany.
Ny zanany no nanambara ny fodiamandrin’i Edouard Rajaona. Avy hatrany dia niraradraraka ny fiaraha-miory nomban’ny fitanisana ireo fahatsiarovana, fa indrindra ny fanasongadinana ny maha andrarezin’ny zavakanto azy. Mpanao hosodoko sy sokitra kalaza, nitrandraka seha-kanto maro ary nizara hatrany ny fahalalany no tena nahafantaran’ny fianakaviamben’ny zavakanto azy. Fantatra tamin’ny fahatsorany sy ilay tsikiny tsy afaka aminy i Edouard Rajaona. Nahafahany nifanerasera tamina olona maro izany, nizarany tsy nisy tambiny ny traikefany sy ny fahalalany ihany koa, vao miresaka ny kanto, fa indrindra ny sokitra sy ny hosodoko amin’ny endriny sy karazany rehetra izany.
Tany amin’ny fahazazany dia efa nirona tamin’ny kisarisary i Edouard Rajaona. Nanosika azy handalina kokoa izany ny taona 1968, nironany tamin’ny fianarana marolafy, manodidina ny sokitra, dokambarotra, ravaka, maritrano, sns. Notohizan’i Edouard Rajaona tany ivelany ny fandrantoany fianarana momba ny zavakanto, ary nanombohany nisongadina ihany koa tany La Réunion, Séychelles ary Italia. Fampirantiana maro no nataony nanandraisany anjara teto hatrany ivelany. Mari-pankasitrhana sy loka isan-karazany ary mari-boninahitra isan-karazany ihany koa no efa natolotra azy nandritra izany.
Anisan’ny tsaroan’ny maro satria vao tamin’ny taon-dasa no nanamarihana ny faha-50 taona nilomanosan’i Edouard Rajaona tao anatin’ny maha matihanina amin’ny hosodoko sy ny sokitra. Fotoana nanehoany sanganasany maro tao amin’ny AFT Andavamamba io, izay nitondra ireo mpitsidika maro tany amin’ny tontolo tian’ity mpanakaanto ity hitondrana azy ireo. Anisan’ireo mpanakanto mampita tsy amin-teny mantsy Rajaona, izay vao mainka manintona ireo mpitia ny tena kanto amin’ny sanganasany. Tsy nisy tsy niteny izay nahalala azy fa andrarezin’ny kanto, namela soa maro tsy voakosoka mandrakizay i Edouard Rajaona…
Zo ny Aina




