Nikarakara fifaninanana ho an’ny mpahay kanto ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, Antananarivo. Nomena ny anarana hoe « Art’éroport » ny fifaninanana, mifantoka amin’ ny handravahana, handokoana fiaramanidina iray efa tsy miasa intsony, hapetraka eo an-tokotanin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Miisa 20 ireo nifaninana, ka nahazo ny voalohany ny ekipa Hetsy, notarihin’Andriantosaina Steven (mpahay sary 3D), sy Razakasoa Stephano (mahay sary, mpandoko sy mpikirakira plastika ary mpanahaingo), notolorana vola 10 tapitrisa Ar.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, fa tanjona amin’ity tetikasa ity ny hanatsarana ny tolotra omena ny mpandeha hampisehoana amin’izy ireo ny haikanto sy ny talenta malagasy. Eo koa, ny kolontsaina sy ny fomba malagasy, ny karazan-javamananaina sy ny voahary, ny dia ana habakabaka sy ny fisokafana amin’ izao tontolo izao.
Nasongadin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera (MSK), Gascar Fenosoa, fa porofo izao manamarika ny lanja ananan’ny kolontsaina malagasy. Vavahadin’ny asa tanana sy ny kolontsaina ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, ka ho talaky maso ho an’ny mpandeha ny maha Malagasy.
Niara-niombon’antoka niahy ity fifaninanana ity ny minisiteran’ny Kolontsaina (MSK), ny Fitaterana (MTM) ary ny Fizahantany (MTA).
Njaka A.




