Rajaona Siméon, Professeur titulaire émérite. Teraka ny 18 febroary 1926. Nodimandry ny 23 jona 2013. Ny 18 febroary 2026 ka hatramin’ny 18 febroary 2027 no hankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’ity mpampianatra, mpikaroka, mpanoratra, sns, ity. Hetsika maro eo amin’ny tontolon’ny siansa sy kolontsaina no hotanterahina mandritra io herintaona io, ho fanomezam-boninahitra azy.
Anisan’izany ny famoahana boky, ny fihaonana hanana endrika ”colloque” izay hatao ny 27 marsa sy ny 28 marsa izao. Eo koa ny fifaninanana asa soratra ho fanohanana ny mpanoratra hanana vitrika. Ahitana sokajy samihafa ny fifaninanana. Ao ny amboaran-tononkalo, tantara foronina, sombin-tantara, fandikana asa soratra vahiny. ”Pr.Rajaona Siméon, andrarezin’ny fikarohana ny teny sy ny haisoratra malagasy”, lohahevitra hovoizina mandritra ny fankalazana.
Ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fankalazana ihany koa ny fitokanana ny lalana Siméon Rajaona sy ny fananganana ho vakoka nasionaly ny trano nonenany eny Antsahabe. Fantatra fa hisy komity manokana hiara-misahana ny fikarakarana sy ny fandrindrana ireo hetsika hotanterahina mandritra ny fotoam-pankalazana.
HaRy Razafindrakoto




