Diarin’i Anne Franck. Hisy ny fihaonana amin’ ireo malagasy mpanoratra roa, nandika ity boky ity tamin’ny teny malagasy, rahampitso amin’ny 11 ora, ao amin’y IFM Analakely. Hiresadresaka ny asa notontosainy i Michelle Rakotoson sy i Riambola Mitia, izay samy mpanoratra nandika ity boky malaza indrindra maneran-tany ity. Ny alarobia 4 febroary kosa no hampahafantarina ao amin’ny Tranombokimpirenena ny boky.




