Mois : janvier 2026

Nikononkonona fanafihana : Enin-dahy maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy teny Ambohijanaka ny jiolahy enina nikasa hanafika. Nahafahana nisoroka ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo. Lavon’ny balan’ny polisy ny alatsinainy alina hifoha talata teo ny jiolahy miisa enina, nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Ambohijanaka, distrika Antananarivo Atsimondrano. Nisy olona tsara sitrapo nampandre ny […]

Pureplay Football League : Mitarika vonjimaika ny Disciples FC

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Foot­ball League (PFL)”. Mitarika vonjimaika ao amin’ny kaonferansy atsimo ny Disciples FC Vakinankaratra. Nahazo fandresena fanindroany, 2 no ho 1, nanoloana ny Antimo Re­cord, tany Toliara, izy ireo. Ma­nana isa enina izany ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Ho fantatra anio, ny filaharana vaovao an’ny Barean’i Madagasikara, amin’ny Fifa. Tsiahivina fa mety hiova tanteraka io filaharany io, noho izy ireo tsy nandray anjara tamin’ny Can teo nefa ireo laharana ao ambaniny nandray anjara tamin’izany. Anisan’ireo hiakatra laha­rana, ohatra, i Soudan sy i Comores. Raraka teo amin’ny dingana voalohany, […]

JJB-Tompondakan’i Eoropa : Resy tamin’ny ady faharoa i Xavier

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Lisbonne, ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, taranja Jiu-jitsu Breziliana, nandraisan-dRanarivelo Xavier anjara. Teo amin’ny ady faharoa, nanoloana an’ilay mpikatroka laharana faharoa maneran-tany, ity Malagasy mpikatroka ity no resy ka tsy afaka nanohy intsony ny fifaninanana. Nahazo fandresena kosa izy tamin’ny ady voalohany, rehefa nifanandrina […]

Baolina kitra – “CAN 2025” : Nahazo “prize money” 7 tapitrisa dolara i Sénégal

Nikatona tanteraka ny andiany faha-36 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2025). Voahosotra ho tompondaka ny Lionan’i Teranga, Sénégal. Ankoatra izay, nahazo “prize money”, mitentina 7 tapitrisa dolara avy amin’ny Kaonfederasionina afrikanina (Caf) ny delegasionin’izy ireo. Samy nahazo ny anjarany daholo ihany koa […]