Mois : janvier 2026

Faritra Atsimo Atsinanana: Maniry Tranobe iraisana ireo Ampanjaka

“Tranobe” na “Lonaky” iraisan’ireo foko rehetra anatin’ny distrika 5 mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ ireo hetaheta nampitain’ireo Ampanjaka telo tonta ao Farafangana, solontenan’ireo raiamandreny ara-drazana ao amin’ny Faritra, tamin’ny tale jeneralin’ny Kolontsaina sady mpanakanto Théo Rakotovao io. Nandritra ny fitsidihana izay notontosainy tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo, izany, […]

Lalao Echec : Nanao zaikabe ny ligin’Analamanga

Iray volana taorian’ny nitsanganan’ny ligin’Anala­ma­nga, taranja Echec, nanatanteraka zaikabem-paritra tetsy amin’ny Lycée JJ Rabearivelo Analakely izy ireo, ny sabotsy lasa teo. Dinika niantsoana ireo mpilalao, raiamandreny ary ireo rehetra misehatra ao anatin’ity lalaon-tsaina ity. Tanjona, raha ny nambaran-dRaharimanana Faratina, filohan’ny ligy, ny hiainoana sy handraisana ny hetahetan’ny tsirairay ka hitadiavam-bahaolana […]

Rugby lalaovina olona 7 : Mijanona D3 ny Makis an’i Madagasikara

Tsy tratra ny tanjona ho an’ny Makis an’i Madagasikara, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Laharana fahadimy ny Makis ary mijanona ao amin’ny diviziona fahatelo ihany amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Nifarana omaly, tao amin’ny Sevens Stadium, Dubai, ny fiadiana ny ho tompondaka […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy anisan’ireo antoko politika 103 nanao sonia fifanarahana ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim), hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ambatondrazaka sady filoha lefitry ny An­tenimierampirenena, Fidèle Razara Pierre, nandritra ny hetsiky ny Tim tany Toamasina, ny sabotsy lasa teo. Nambarany fa tsy nanao izany sonia izany izy ireo satria mijoro […]