Mois : janvier 2026

Fahasalamana : Nankatoavina ny PSN BSC/ SDSR-SMNIA-N

Nankatoavina tamin’ity herinandro ity ny paikady nasionalin’i Mada­gasikara mahakasika ny fiovam-pihetsiky ny fiarahamonina amin’ny fahasalamana sy zo ara-pananahana, fahasalaman’ny reny, ny zaza vao teraka, ny ankizy, ny zatovo sy ny tanora ary ny fanjarian-tsakafo ho an’ny taona 2026-2030 na PSN SBC/SDSR – SMNIA-N. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-baho­aka tamin’ny sehatra marolafy (minisitera […]

INDRAY MIJERY

Taorian’ny fihaonana nisy teo amin’ny Lehiben’ny faritra Vakinankaratra sy ny mpitantana ny Oniversite, niroso tamin’ny fanamboaran-dalana miditra ny oniversite ny mpitantana. Milina vaventy telo: compacteur, niveleuse ary camion benne, no miasa eny Tsaratanàna manao ny asa. Misedra olana ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha eny Tsaratanàna amin’izao vanim-potoana fahavaratra izao, […]

Valanaretina Mpox : Lasibatra ny tanora manodidina ny 23 taona

Mandeha haingana ny fandraisana fepetra tsy hiparitahan’ny valanaretina Mpox eto amintsika. Ho an’ny andron’ny 13 janoary, 22 ny tranga ahina vaovao ary efatra ny tranga voamarina. Raha vao misy tranga ahina, alefa amin’ny toeram-pitsaboana ireo olona ary tokony hahiboka raha voamarina fa tratra mandra-pahasitrana satria ny marary iray mamindra amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa teny Andafiavaratra, omaly, ny fanaovan-tsonia ny fangatahana ofisialy, fampidirana ny Mi­siona Katolika Ambodifotatra Sainte Marie, ho harem-bakoka iraisan’izao tontolo izao. Amin’ny maha fiangonana kristianina voalohany teto Madagasikara azy no angatahana izany eo anivon’ny Unesco. Vavolombe­lon’ny tantaran’i Madagasikara amin’ny maha harem-bakoka azy rahateo ity fiangonana ao Sainte Marie ity. Nomarihin’ny […]

Minisiteran’ny Kolontsaina: “Misokatra amin’ny mpanakanto rehetra”

Tsy niandry ela. Vantany vao nigadona an-tanindrazana dia noraisin’ny minisitry ny Kolon­tsaina sy ny serasera sy ireo mpiara-miasa aminy teny Ano­sy, ny alin’ny talata teo, i Denise. Avy nandrombaka ny anaram-boninahitra “Vehivavy mpanakanto mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana izy, nandritra ny “All Africa Music Awards”, izay natao tany Lagos Nigéria […]