Lehilahy iray 25 taona, matin’ny fitsaram-bahoaka tetsy Ambatomaro Fétiche, omaly hariva tokony tamin’ny 2 ora sy fahefany tolakandro. Raha ny vaovao voaray, nanendaka ary saika mbola hanolana vehivavy 18 taona iray, mipetraka eny Amboanjombe, io lehilahy io sy ny namany iray hafa. Hitan’ny fokonolona izy ireo, ka nifanenjehana. Tratran’ny olona […]
Mois : janvier 2026
Ivandry : Mpanao sinto-mahery voasambotra
Olon-dratsy mpanao sinto-mahery sady mpangarom-paosy voasambotry ny polisy teny Ivandry, ny marain’ny zoma 9 janoary teo, tamin’ny 7 ora. Mody nitangorona niaraka amin’ireo olona mpiandry taxi-be teo amin’ny fiantsonana io lehilahy io. Mitondra zava-maranitra toy ny hareza izy ka triariny mandritra ny fifanisihan’ireo mpandeha ny kitapo. Olon-tsotra iray lasibatra tamin’io […]
Tokantrano voatafika tetsy Ankadikely : 300 tapitrisa Ar sy fiara 4×4 iray voaroba
Lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 300 tapitrisa Ar tao amin’ny tokantrano iray, tetsy Ankadikely, omaly maraina. Nofatoran’ireo mpanafika ny olona rehetra tao an-tanàna. Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana tokantrano tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy indray ny tokantrano iray tetsy amin’ny fokotany Andranoritra, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly, maraina tokony ho tamin’ny 3 […]
KENICHI
Androm-pirenena ho an’ny kabary: Omen-danja ny fihavanana sy ny fiarahamonina
Kolontsaina sady soatoavina malagasy anisan’ny miroborobo fatratra ankehitriny ny kabary. Sehatra maro no ahenoana azy. Tsy manalavitra ny kabary ny fihavanana. Hiara-dalana sy hifameno ireo. Hotontosaina manerana ny Nosy sy any ivelan’i Madagasikara ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary ho an’ity taona 2026 ity. Samy manana ny hetsika hotanterahiny […]




