Efa hita taratra ny fanovana, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny mpanjaka telo tonta amin’ny foko Antesaka ao Vangaindrano, i Ndimbiarison G, afakomaly. Eo ny fiverenan’ny hasin’ny mpiasam-panjakana sy ny hasin’ny olom-boafidy izay nanara-drenirano teo aloha. Niverina koa ny zo fototra amin’ny fahazoana maneho hevitra. Hita koa ny tokony hanavaozana ny […]
Mois : janvier 2026
Rakotovao Rivo : “Mifameno amin’ny fampihavanana ny fanadiovana”
“Raha ho an’ny antoko politika HVM: aleo aloha hajanona ny fifanarahana politika ho fanadiovana olona, fa aleo handeha ny lafiny fitsarana. Amin’izay, manadio an’ilay olona. Tsy ny lafiny politika no hanadio ny fomba fitantanan’ny tena teo amin’ny fitondrana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Hery vaovaon’i Madagasikara (HVM), Rakotovao […]
Samia miandry !
Mahoraka indray aloha ny fanovana governemanta. Raha ny tetiandro miely any rehetra any dia ny faran’ny volana janoary na ny fiandohan’ny volana febroary no handeha izany. Mainka nampahoraka ny fiparitahan’ny vaovao rahateo ny fanombohan’ny fanaovana tombana ireo notendrena sy napetraka ho minisitra. Tapitra ny roa volana voalaza fa hanaovana […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy natao hahakivy ny fanenjehana sy tsikera”
Miiabo ny fijery ho an’ny Kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Tsy natao hahakivy ny fanenjehana sy ny tsikera, hoy izy, amin’izao fiandohan’ny taona izao. “Na eo aza ny fanenjehana sy ny tsikera maro, tsy natao hahakivy ireny fa vao mainka entina hanamafisana ny finiavana hanatanteraka ny tsara […]




