Nanavao ny momba azy manontolo ny Zanabaliha. 30 taona katroka tamin’iny taona nivalona iny no nijoroan’ity sehatra mikirakira momba ny zavakanto sy ny kolontsaina ity. Ny 3 janoary 2026 teo, nandritra ny fihaonan’ny mpanorina sy ny mpikambana ankehitriny no nanambarana fa miatrika fanavaozana lehibe ny Zanabaliha. Nohatevenina ny sehatra hanatanterahiny […]
Mois : janvier 2026
Ho fampivelarana ny kabary taona 2026: Hampianatra maimaimpoana ny Manda
Tafiditra ao anatin’ny fomba fiasa ho fampitiavana sy ho fampivelarana ny tontolon’ny kabary, tanterahin’ny fikambanana Manda Mpikabary, ny fampianarana izany maimaimpoana. Eny amin’ny biraon’ny boriborintany miisa 6 eto an-dRenivohitra no hanatontosana izany. Hetsika hanomboka ny sabotsy 17 janoary sy ny alahady 18 janoary ho avy izao. Haharitra 7 volana ny […]
Fanehoana ny kanto : Tsy atahorana ny « IA »
Manomboka miroborobo fatratra ankehitriny ny fampiasana ny « Intelligence artificielle » na ny « IA » amina sehatra maro. Iray amin’ireny ny tontolon’ny zavakanto toy ny sary pika, sary hosodoko, ny sarimihetsika, ny mozika, sns. Amin’ny ankapobeny, ho fanampiana sy ho « fanatsarana » ny zavakanto no ampiasana ny « IA ». Sary pika matroka, hainy ny manadio […]
Mozika tropikaly : Haneho sy hamelatra ny talentany i Désiré
Taona 2026, hanatanteraka ny fanambiny i Désiré. Tapa-kevitra ny hampahafantatra ny kanto ataony eo amin’ny tontolon’ny hira. Hamelatra izany amina sehatra maro. Mpanakanto vao erotrerony. Zanak’i Mananara Avaratra ary lehibe tany Toamasina i Désiré. Nisafidy ny handalina manokana ny fikirakirana ny gadon-kira mihetsika izay voasokajy anatin’ny mozika tropikaly izy. Taona […]
Minisitry ny Fitsarana : “Tsy misy hahasakana ny fiampangana eny amin’ny parlemanta”
“Efa nametrahana fitoriana niarahana amin’ny Gen Z eny Antenimierampirenena mba hahazoana manao fiampangana azy. Tsy misy hahasakana an’io fiampangana io.” Izay ny fanazavan’ny minisitry Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny tambajotran-tserasera, fiandohan’ny herinandro teo, ny amin’ny raharaha momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Hotsarain’ny vahoaka eo izay mieritreritra hanakana an’io, […]




