Nesorina amin’ny toerana avokoa ireo talem-paritry ny fonja miisa 22, araka ny fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Nirarakompana koa anefa ny fanendrena talem-paritra eo anivon’ny minisitera-panjakana misahana ny fanavaozana. Miisa 13 ireo vao notendrena. Nodimandry omaly, rehefa tsy salama naharitra, ny mpanao gazety, Annick Raherimanana. Anisan’ny mpamakafaka […]
Mois : janvier 2026
Firosoana ho amin’ny fanavaozana : Mametraka paikady ny komitin’ny fikaonandoha
Am-perinasa tanteraka ny komity mpamolavola « Comite de pilotage » ny fikaonandoham-pirenena. Efa mametraka ny rindrandamina rehetra ho fanatanterahana izany izy ireo. Anisan’ny ao anatin’izany komity izany ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana sy ny Primatiora. Ao anatiny koa ny avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny […]
Tia tena
Mahatsikaritra ireo toetoetran’ny mpanao politika sasany manoloana ny ady seza dia tsy sahy manakombom-bava. Aleo miteny sy mamaky bantsilana ny zava-mitranga marina. Tafahoatra ny tsy fitiavan-tanindrazana ny an’ny sasany fa maika haka seza sy hanao tantely afa-drakotra fotsiny ilay fananam-pirenena sy ny volam-bahoaka. Manjaka ny fitiavan-tena ka mitady hanaotao […]
HCC : Nankatoavina ny famokarana sy fivarotana toaka gasy
Nahabe resaka sy adihevitra talohaloha teo… Amin’izao, nankatoavin’ny HCC ny lalàna momba ny famokarana sy famarotana toaka gasy. 44 % ny tahan’ny alikaola farafahabetsany… Mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny lalàna lah. 2025-020 momba ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy ato anatin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy. Io ny fanapahana lah.01-HCC/D3, And. 2, […]
Fanakorontanana filaminam-bahoaka: Tanora 15 voasambotry ny polisin’ny UIR
Tanora miisa 15 voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR), tao Tanamakoa, ny talata 27 janoary 2026 lasa teo. Anisan’ireo andian-jatovo mpanakorontana ny filaminam-bahoaka ao Toamasina izy ireo. Eo ny fanaovana ady eny an-dalambe, fangalarana amin’ny endriny maro samihafa ary ny fitabatabana amin’ny alina. Efa maro ny […]




