Mois : janvier 2026

1 000 andro eo amin’ny zaza: Hifanakalo ny zava-misy ireo mpisehatra

Mivory mandritra ny hateloana, eny Anosy, ny mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny reny sy zaza tarihin’ny mpi­tsabo manokana ny zaza (So­maped) sy ny fivondronan’ny mpitsabo ny vehivavy (gynécologue) Comago. Ilaina ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana sy ny fomba fiasa ho an’ireo mpikarakara ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Miantoka ny fivoaran’ny zaza […]

Faritra Analamanga : Misokatra amin’ny loko rehetra ny fiaraha-miasa

Manan-jara Ivato novangian’ny Lehiben’ny faritra Analamanga, omaly. Nitondra tantsoroka ho an’ny kaominina ny fitsidihana, hisian’ny fampandrosoana haingana. Nitsidika ny kaominina Ivato ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raha­rinirina Clémence. Nandamina ny fiaraha-mi­asa tamin’ny kaominina ma­ro­maro tao amin’ny distri­kan’­Am­bohidratrimo izy tamin’izany. Nambarany fa misokatra ho an’ireo ben’ny Tanàna re­hetra, tsy mifidy loko ary […]

Fanabeazana sy fampianarana : Mbola misy diso fandray ny « fanagasiana »

Taorian’ny taona 1972 na­naovan’ny mpianatra fihetsehana ho fanoherana ny fanjakazakana mivantana sy ankolaka nataon’ny Frantsay teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana, nipoitra tsikelikely ny « fanaga­siana ». Taona 2026, mbola misy diso fandray ihany ny tena raiketin’io teny io. Vohi­zina mafy indray ny fandikan-teny. Tafiditra ao anatin’izany rehefa mety ho voambolana vahiny. […]

Fitantanana harembakoka: Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa

Mila fanavaozana hatrany ny fitantanana sy fikajiana ireo harembakoka. Anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny iraisam-pirenena ny fitaleavana misahana ny harembakoka eto Madagasikara. Nandray ireo frantsay manam-pahaizana momba ny haremba­koka ny tale misahana ny ha­rembakoka, Lahiniriko Denis Alexandre, teny amin’ny La­pan’Andafiavaratra, omaly. Ni­tarika ny delegasionina i Jean Luc Martinez, ambasadaoro manokana […]