Nanomboka ny volana novambra hatramin’ny talata lasa teo, vokatry ny rotsakorana be loatra, nahatratra 19 ny olona maty, 20 naratra, 6 385 ny traboina (tokantrano 1 653). Olona 3 090 nafindra toerana, 1 319 ny trano dibo-drano, 37 simba, 153 rava, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly. 10 ny faritra […]
Mois : janvier 2026
Valanaretina Mpox : mahafaty ny zaza any am-bohoka
Mitondra fanazavana momba ny fitondrana vohoka sy ny aretina Mpox ny Dr Rajaonarison Tahina, ao amin’ny CHU Befelatanana. Nambarany fa mety ho afa-jaza ny reny mitondra vohoka tratran’ny Mpox raha eo amin’ny manodidina ny telo volana eo ny zaza ao an-kibo. Ahina ho faty am-bohoka kosa ny zaza na mety […]
Tetikasa Fafy : Mitaky ny karamany ny mpiasa
Efa amam-bolana maro no tsy nandray tambin-karama ireo niasa tamin’ny tetikasa momba ny tsy fanjarian-tsakafo “Fafy”, eo anivon’ny ONN (Office nationale de nutrition), raha ny fitarainan’ireo mpiasa. Ahitana teknisianina, “superviseurs”, “Animateurs encadreurs” ary “agents communautaires” ireto nanao fanairana ireto. Tsy mifanaraka amin’ny tsindry mahazo azy ireo amin’ny fitakiana tsy ankiato […]
Zana-tsehatra Serasera (Commo)-FLSH : Misokatra ho an’ny mpiasa ny fiofanana hahazoana Master
Natao ho an’ny rehetra manana licence, efa miasa, ka liana hanaraka fiofanana momba ny tontolon’ny fifandraisana eny amin’ny Commo, oniversiten’Antananarivo, izy ity. Noho ny fahitana ny hodidina misy eto amin’ny firenena sy ny fahatsapana ny filan’ny fiainana ny serasera no nanokafana azy. Nampahafantarina teny Ankatso, omaly, ny fiofanana misokatra ho […]




