Mois : janvier 2026

Vokatra biolojika: Malalaka ny seha-pamokarana

Hotanterahina ny 10 hatramin’ny 13 febroary, any Nu­remberg-Alemaina, ny varotra fampirantiana iraisam-pire­nena ho an’ny vokatra biolojika na ny « Biofach ». Hetsika ham­­pahafantarana sy hanomezan-danja ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Rafitra ivondronan’ireo mpiantsehatra amin’ny famokarana biolojika. Tan­jona ny hanamorana sy hanatsarana ny fahatongavan’ny vokatra biolojika any amin’ny tsena, […]

Tohodrano Ampahitrosy: Nasiana gony misy fasika ny fefiloha

Ahina ho vaky ny fefiloha eny Ampahitrosy izay mety hiantraika hahavaky ny tohodranon’Ampahitrosy, distrika Atsimon­drano, vokatry ny orambe, nikija tamin’ny faran’ny herinandro teo. Manoloana izany, tsy mipetra-potsiny ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), fa mandray anjara araka izay tandrify azy. Miandraikitra izany ny Fitantanana ny Haia­vo­lentan’ny tontolo ambanivohitra (Direction […]

Village des SAE: Tantsoroka ho an’ny fandraharahana sy tetikasan’ny tanora

Rohy mampifandray ny mpandraharaha sy ireo mpiara-miombon’antoka ny rafitra mpanohana sy mpanome tantsoroka ny fandraharahana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Miantoka ny fampiroboroboana ny harinkarena ny fanohanana ny mpandraharaha, hanamafi­sana ny toekarena sy hampirisihina ny tanora hamorona sy hitondra tetikasa ho an’ny fampivoarana ny firenena sy ny velon-tenany. […]

FANTINA sy FINTINA

Iriana ny hahavitan’ny fihaonambem-pirenena sy ny fifidianana Lalàmpanorenana ary ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny nambaran’ ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, nandritra ny fandraisany ireo iraky ny Sadc, omaly, teny Iavoloha. Nanteriny fa filoham-panjakana, araka ny fanapahan’ny HCC, ny tenany. Efa am-perinasa amin’ny fakan-kevitra ireo iraky ny Sadc. Anisan’ny efa […]

Mediatiora : “Ny fananan-tany sy ny fitsarana no mampikaikaika vahoaka”

“Ny antontan-taratasy maro an’isa indrindra azonay dia ny momba ny fananan-tany. Manaraka, ny amin’ny fitsa­rana. Ireo anankiroa ireo no anisan’ny mampikaikaika ny vahoaka malagasy ary vaindohan-draharahan’ny asa ataonay”. Izay ny fanazavan’ ny Mediatiora na ny mpiahy ara-drariny sy mpiaro ny va­hoaka, ny Pr Andrianai­votse­heno Ravaka, teny Anosy, omaly, taorian’ny fihaonany […]