Mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ny famokarana sy ny toekarena any atsimon’ny Nosy. Itodihana, ankehitriny, ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra (Agri-business) mitodika amin’ny filàn’ny tsena, mba hiteraka fampandrosoana. Natao tany Toliara, ny 21, 22 ary 23 janoary teo, ny Dinika isam-paritra ho fanaingana ny toekarena. Nandray anjara tamin’izany ny faritra […]
Mois : janvier 2026
TSELATRA
Lehilahy sivy indray voasambotra teto Antananarivo, omaly. Tratra nanendaka vao maraina tetsy Sabotsy Namehana, distrikan’Avaradrano, ny iray. Lehilahy roa hafa voasambotra tetsy Analamahitsy, tamin’ny 12 ora atoandro, voarohirohy tamin’ny fitazomana sy fidorohana zava-mahadomelina. Nahitana fonosana rongony miisa 18 teny amin’izy roa lahy nandritra ny fisavana. Lehilahy miisa enina voasambotra tetsy […]
Fikasana hamono tena : Lehilahy iray nisotro famonoana bibikely
Tovolahy 25 taona nisotro ranom-panafody famonoana bibikely atao hoe « Ultracide », omaly hariva tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Niseho tao Anonoka, fokontany sy kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, ny tranga. Nentin’ny fokonolona tany amin’ny CSB2 Sadabe izy rehefa hitan’ny olona fa niha nalemy sy reraka. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany […]
Andravoahangy : Lehilahy 40 taona maty tampoka
Lehilahy iray, tokony ho 40 taona, maty tampoka tetsy amin’ny tsenan’Andravoahangy, omaly maraina. Mbola hitan’ny olona nandehandeha teny an-toerana izy talohan’ny fotoana nitrangan’ny loza. Naka aina sy nipetraka ary natoritory teo amin’ny sisin-dalana izy. “Vetivety teo, niantsambotra izy ary toa ireny olona miala aina ireny”, hoy ireo nanatri-maso teny an-toerana. […]
Nilalao teo amoron-drano : Zazalahikely efa-taona maty an-drano
Maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, Sadabe, ny zazalahikely vao efa-taona monja, ny 22 janoary hariva teo. Variana niasa teny an-tsaha ny ray aman-dreniny, nandeha nilalao rano ilay zaza. Zazalahikely iray, vao efa-taona, maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva tany ho […]




