Nampiana faninefany: Jifa iray andro ny tapakilan’ny sehon’i Joely

Tsy «Miseho milay» araka ny lohatenin’ny fampisehoana izy… Fa «Tena milay», an­gamba, matoa nifarombahin’ireo mpankafy ny tapakilan’ny fampisehoana «Miseho mi­lay», izay homanin’i Joely. Lany vetivety talohan’ny faran’ny taona ireo tapakilan’ny seho 3 misesy izay mbola hotontosainy ny 13, 14 ary 15 febroary ho avy izao, samy etsy amin’ny CCI Ivato. Maro ireo nitaraina satria taraiky tamin’ny famandrihana, ka nitady hevitra ny mpikarakara sy i Joely. Tapaka ary fa hasiana seho faninefany, ny tolakandron’ny 14 febroary. Na­voaka ny sabotsy teo ny tapakin’ity seho « famindram-po » ity, saingy, jifa tao anatin’ny andro iray izany!
« Misaotra amin’ny fitiavana fa tena hoe tsapako e! Tena lalina… Tokony homeko seza manokana eny ambony sehatra mihitsy ianareo », hoy ny nambaran’ity mpanao hatsikana be mpanaraka sy malaza indrindra amin’izao fotoana izao ity. Porofo tsy misy mi­hoatra noho izao seho sehatra efatra hissy izao, izay efa tsy ahitana tapakila iray volana sy tapany mialoha. Sambany anefa vao hanao seho goavana toy izao i Joely, izay nampiakarin’ny lazany tao anatin’ny tambajotran-tserasera

Zo ny Aina

Partager sur: