Miverimberina hatrany ny olana mianjady amin’ny firenena. Vitsy ihany, anefa, ireo mitady vahaolana ivelan’ny politika. Milaza ny heviny momba izany ny Printsy Rakotomalala Louis de Gonzague.
Gazety Taratra (*): Miaina ao anatina olana na krizy miverimbarina i Madagasikara. Amin’ny maha mpandala ny fomban-drazana sy ny maha Malagasy anao. Inona no mety mahatonga izany?
Printsy Rakotomalala Louis de Gonzague (-): Tsy mahagaga raha toa ka miaina anaty krizy miverimberina izay mitarika fahantrana lalim-paka ny Malagasy noho isika tsy nanoa intsony ny “Satam-pirenena” izay mifototra betsaka amin’ny fandalana ny fahamarinana. Tsy fomban-drazana tongatonga ho azy ny niandohan’ny “Soatoavina malagasy” fa misy hevitra lalina dia lalina fonosiny izay mirakitra fahendrena ara-panahy niteraka finoana sy fanao ary fomban-drazana raikitra dia ny “fanahy no Olona”.
* Inona marina moa ity antsoina hoe “Satam-pirenena” ity? Ahoana ny fomba fiasan’izany?
– Ilay toetra maha Malagasy nolovaina tamin’ireo razana toy ny fandalan’izy ireo ny fahamarinana, ny firaisankina, ny fihavanana, sns. Io no antsoina hoe: “Satam-pirenena”. Ilay fanahy no Olona, toetram-pirenena nifandovana mampiseho ny toetra sy ny tarigetram-pirenena, hampahatsiaro tena eo amin’ny fiainana. Mampiposaka ny anjara masoandron’ireo faramandimby. Ny fahatanterahan’ izany no hitarika fahazavan-tsaina, hanentana ho any amin’ny hambompom-pirenena, hampifoha ireo tanora malagasy. Ho mora kokoa ny hisehoan’ilay hasim-panahy izay ho fanasoavana ny mpiara-belona tsy ankanavaka rehefa miverina manoa ilay “Satam-pirenena” isika Malagasy.
* Manao ahoana ny ankehitriny sy ny tokony hiatrehina ny hoavy raha ny satam-pirenena no hiaingana?
– Mahatsiaro tena, ankehitriny, ny Malagasy fa tonga ny fotoana tokony hiarovana sy hiainana ary hivelomana araka ny satam-pirenena malagasy izay miorina amin’ny fahendrena malagasy: finoana sy fahalalana an’Andriamanitra (Zanahary), ny fanahy no olona, ny fanajana ny Masina (Razana), ny fitiavan-tanindrazana, ny tahotra ny tsiny, ny tody ary ny fitandremana ny fady.
Nanangona: HaRy Razafindrakoto




