TARATRY ny KANTO

Nahazo ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina ireo mpisehatra amin’ny zava­kanto sy ny kolontsaina ao Vakinankaratra, ny sabotsy teo. 15 nakarina eo amin’ny laharan’ny « Comman­deur », 16 nahazo ny « Officier » ary 23 kosa nomena ny « Che­valier ». Nahitana mpanakanto mpanao mozika, mpanao hosodoko, mpanoratra, mpikabary,sns, izy ireo. Nandritra ny fotoana nandalovan’ny minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina tany an-toerana no nanatante­rahana izany, tafiditra anatin’ny ezaka famerenana
amin’ny hasiny ny kolontsaina malagasy.
Efa any Inde ireo Malagasy mpanakanto handray anjara amin’ny hetsika « Surajkund International Crafts Mela ». Miendrika foaraben’ny kolontsaina izay misy fifanakalozana amin’ireo firenen-kafa izany, mandritra ny roa herinandro. Mpanakanto miisa 13, ahitana mpihira, mpitendry ary mpandihy no lasa nisolo tena an’i Madagasikara any. Rindran-tseho efa voaomana no entin’izy ireo, haseho mandritra ny andro maromaro. Marihina fa avy ao amin’ny Akademiam-pirenena misa­hana ny zavakanto sy ny kolontsaina izy ireo, ary efa mpandray anjara isan-taona amin’ity hetsika ity isika.
Hahemotra amin’ny alahady 8 febroary izao indray ilay ady hiragasy saika natao ny alahady teo, tetsy aminn’ny Kianja Ra-Petit Ampefiloha. Saika nifanandrinan’ny tarika Rasoalalao Kavia avy any Ampa­himanga sy ry Rasamoelson avy any Andohavary izy ity. Noho ny fisian’ny rivodoza no nanafoanana sy nane­morana izany. Nisy ihany ireo mpankafy hiragasy tsy nahalala ny fiovan’ny fandaharam-potoana, ka tonga teny Ampefiloha.

Partager sur: