Raha ny sabotsy 7 febroary izao no fantatra fa saika hanatanterahana ny « Asaramanitra bagasy », fantatra, omaly, fa hahemotra ny tolakandron’ny sabotsy 14 febroary ity hetsika fanaon’ny Sehatra Bagasy isaky ny misantatra ny taona vaovao ity. Tsy miova ny toerana fa ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro, etsy Antsahavola ihany. Hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany, hanana endrika fifampiarahabana nahatratrarana ny taona 2026 ny « Asaramanitra bagasy ».
Sehatra Bagasy, vondrona ikambanan’ireo mpiangaly, mpitia, mpikajy, mpamelona, sns, ny bagasy. Tsy ho latsa-danja amin’ireo hetsika efa notanterahina hatramin’izay ny « Asaramanitra bagasy » 2026. Holaroina hira hataon’ ny tarika, mpikambana, mpanakanto, mpihira, mpisitraka… ny tolakandro manontolo.
Marihina fa anisan’ny sehatra lehibe ifanenana sy ifanakalozana eo amin’ny tontolon’ny bagasy ny Sehatra Bagasy. Ao anatin’ny taona iray, omena vahana sy lanja lehibe ny fifanakalozana (mpihira samy mpihira, mpitendry samy mpitendry, mpihira sy mpitendry, sns). Tombony lehibe ho an’ny ankizy sy tanora ny fananana ny Sehatra Bagasy raha ny nahitana azy hatramin’izay, satria, matetika ireo mpanakanto efa manana traikefa matanjaka no mizara izany amina hetsika tahaka izao.
HaRy Razafindrakoto




