Ratovo: Haseho ny « Zava-bita amin’ny valiha »

Mpitendry, mpikaroka, mpamorona, mpampianatra… Ratovo na Ratovo Valiha. Sehatra maro teto an-toerana sy tany ivelany no efa nahita ny talentany. Haneho ireo dingana efa vitany tao anatin’ny taona maro izy.

Tahaka ny zavamaneno maro fahita maneran-tany, na eo amin’ny endrika amam-bika, na eo amin’ny fomba fampiasana sy fitendrena, sns, nahitana fiovana ihany koa ny valiha. Iray amin’ireo mpikaroka nitondra io fiovana io Ratovo na Ratovo Valiha. Rahampitso 5 febroary, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, no hitondrany ny « Zava-bita amin’ny valiha ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny velakevitra, fampirantiana, fampisehoana.
Raha tsiahivina, iray amin’ireo nikaroka momba ny valiha «chromatique», Ratovo. Nahita fomba vaovao hoentina mitendry valiha ihany koa izy. Avy amin’ireo vokatra ireo (valiha chromatique sy fomba fitendry vaovao) no nahafahany mitendry karazan-kira maro faheno manerana an’i Mada­gasikara sy maneran-tany.
«Samy efa niainga tamin’ ireo fikarohana na voka-pikarohana efa nisy taloha isika. Noho izany, mila atambatra ny hery mba hahita zava-baovao sy lehibe kokoa raha oharina amin’ny tany aloha», hoy Ratovo Valiha. Raha ny fanazavany, tsy tokony hisalasala hifanatona intsony ny mpitendry sy ny mpikaroka momba ny valiha fa efa fotoanany izao. Notsindriny manokana ny tokony hanoratana boky momba ireny fikarohana vita ireny mba hitohizan’ny fikarohana ka hiampitan’izany any amin’ireo taranaka any aoriana.
Tsy notazoniny irery ny fahaizana sy ny voka-pikarohana hitany. Anisan’ny mampiavaka ity andrarezin’ny valiha ity rahateo ny finiavany sy fitiavany mizara izany ho an’ny Malagasy, indrindra fa ny tanora, mba hivelaran’ny tontolon’ny valiha.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: