SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina, anio, ireo lalao efatra nahemotra, tafiditra anatin’ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondandakan’i Madagasikara, PFL. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny maro, amin’izany, ny fifanandrinan’ny Uscafoot sy ny AS Ste Anne, etsy amin’ny Kianja Alarobia. Marihina fa mbola tsy resy mihitsy ny Ste Anne raha toa ka mikendry ny haka fandresena ho azy ny Uscafoot.

Lany ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny judo i Bruno Eric Saïd, taorian’ny fifidianana notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny COM Ivandry. Ligy 7 tamin’ireo 8 nandatsa-bato no nifidy azy, nandritra izany. Laharam-pahamehana ho azy ny fananganana fotodrafitrasa.

Feno ny fandaharam-potoana ho an’ny ligin’Ana­la­man­ga taranjany basikety amin’ity taona 2026. Fambolen-kazo no hanombohana izany amin’ny 21 febroary izao eny Manjakandriana. Fifaninanana U23 kosa ny hanombohana ny hetsika ara-panatanjahantena, ny volana marsa izao.

Partager sur: