Mbola mijanona ho fahatsiarovana sy tora-po fotsiny. Anisan’ny firenena tia manangona ny Malagasy, raha ny nambaran’ny mpikaroka maro. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola miasa araka ny tokony ho izy ny tahiry ananan’ny tokantrano malagasy. Tsy mbola hainy ny mandrafitra ny tantara avy amin’ireny tahiry ireny. Io no dingana mila hampahafantarina sy hanabeazana ny Malagasy. Ho an’ireto mpikaroka ireto, hamoha ny fitiavana ny niandohana ny fanomezana lanja ny tahiry. Tsy hijanona eo izany fa ho tonga any amin’ny fitiavan-tanindrazana.
Hatao, anio, amin’ny 8 ora sy sasany maraina ny fivorian’ ireo mpitendry mozika, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Tanjona amin’izany ny hananganana fikambanana, izay hiafara amin’ny sendikan’ireo mpitendry, any aoriana. Ho fiarovana ny asan’izy ireo no tena antony, mba tsy hatao filàna raha tsy mahita intsony ireo mpitendry matihanina. Manana mpitendry zavamaneno maro rahateo ny tontolon’ny hira malagasy.
“Ny fiainana skotisma tarafina amin’ny asa soratry ny Faribolana Sandratra”. Io indray ny velakevitra manaraka, hotontosaina ny alarobia 11 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Ny Ilo Jihy, Herimanjaka Rabemalanjaona ary Ando Malala no hitarika ny vela-kevitra. Mpanabe sy mpanofana skoto sady mpanoratra, saingy tsy mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra izy ireo.




