SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny fihaonana eo amin’ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoha­ra­nofotsy. Fifanandrinana tafiditra anatin’ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « Pureplay Football League (PFL) ». Tsiahivina fa manala vela amin’ity ny CFFA. Efa lavon’ ny Elgeco Plus, tamin’ny isa 2 no ho 1, izy ireo tamin’ ny famaranan’ny amboaran’i Madagasikara taona 2023.

Araka ny fikarohana natao omaly, efa nifindra ao amin’ny klioban’ny Al Hilal, ao Arabia Saodita, ilay frantsay mpilalao baolina kitra, Karim Benzema. Tsiahivina fa tao amin’ny klioban’ny Al Ittihad, klioba avy any Arabia Saodita ihany izy, no nilalao teo aloha, saingy tsy nanaiky ny hanavao ny fifanarahana ity fran­tsay ity noho ny olana nisy teo amin’ny klioba roa tonta.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny
amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fifaninanana “Super Coupe”, taranja volley-ball, nokarakarain’ny ligin’ Analamanga. Nahazo ny fandresena ny 2AVB, ASI, BI’As, VBCD, Cosfa ary ny Squad I. Nisaotra ireo rehetra nanohana azy ny ligy.

Partager sur: