Volley-Match de défi : Hanomanana ny CCCZone 7

Hotanterahina ny sabotsy 7 febroary izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “match de défi”, taranja volley-ball. Fifaninanana hanomanana ny fiadiana ny amboara ny klioba tompondaka, ho an’ny faritra faha-7, izay hatao any Seychelles, amin’ity volana febroary ity. Hifandona eo amin’
ny sokajy lehilahy, ny GNVB sy ny Mama, Raha toa ka hifanandrina eo amin’ny vehivavy kosa ny Squad X sy ny GNVB.
Amin’ny maha lalao fanomanana azy, eo no ahitana ny herijikan’ireo ekipa malagasy, amin’izao herinandro roa mialoha ny hihazoana an’i Seychelles izao.
Mbola hisy ny lalao hafa hatrehin’izy ireo, ankoatra izao. Hatreto, ny GNVB sy ny Squad X no efa fantatra fa handray anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra faha-7, ity.
Ankoatra ny “match de défi”, hifanandrinan’ireto ekipa efatra, hisy ihany koa ny lalao sy fampahafantarana ireo mpilalao ao anatin’ny All Stars, latsaky ny 15 taona, vehivavy, amin’io sabotsy io, raha ny fandaharam-potoana hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: