ASIEF : Mbola lany ho filoha i Jhon Love

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Asief (Association sportive in­terministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Mbo­la lany hitantana mandritra ny efa-taona manaraka indray ny filoha am-perinasa, Andria­narison Jean Aimé, na i Jhone Love. Kandidà 4 no nifaninana ary miisa 122 no voasoratra tao anatin’ny lisi-pifidianana, saingy ny 109 tamin’izy ireo no tonga nandatsa-bato. Ny kandidà laharana faha-3 no nahazo ny vato betsaka in­drindra, miisa 59 ka izy no nambara fa voafidy hitantana ny Asief indray manomboka amin’izao taom-piasana vaovao izao. Nahazo vato 39 ny kandidà faha-2, Sambesoa Masinaraka, vato 6 no azon’ ny kandidà faha-4, Rama­roman­dranto Mamy ary vato 4 no azon’ny kandidà laharana 1, Ramaromilanto Boromé. Ni­saotra an’ireo nandray anjara tamin’ny fifidianana ny filoha Jhone Love, izay niantso ireo kandidà mpifaninana aminy hiara-miasa. Andron’ny fanavaozana izao, hoy izy ary no­hamafisiny fa «hitohy ny ady amin’ny mersenera, ovaina ny kara-pilalaovana ary hisy ny conclave iantsoana ny rehetra mba hahafahana mi­tondra fanatsarana». Any Manakara kosa no hanaovana ny fifaninanam-pirenena amin’ity taona ity.

Mi.Raz

Partager sur: