Hotanterahina anio, eny amin’ny Ininfra Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny taranja atletisma (FMA). Kandidà miisa telo no hifanintsana, ary 14 ny ligy ara-dalàna afaka hanatrika ny fifidianana. Anisan’ireo kandidà mbola mirotsaka ho filoha moa ny mpitantana ny Federasionina farany teo, Raherison Dominique.
Hotontosaina rahampitso, etsy Iavoloha, amin’ny 12 ora atoandro, ny lalao hihaonan’ny AS Ste Anne sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Fifanandrinana izay tafiditra anatin’ny andro fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League” (PFL). Ankoatra izay, hatao rahampitso, etsy By-pass, ny fihaonan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elgeco Plus.
Laharana faha-7 eto Afrika ary faha-53 maneran-tany, i Madagasikara, eo amin’ny taranja basket-ball, lalaovin’olona 3, araka ny filaharana navoakan’ny Fiba, omaly. Ny fandresen’i Madagasikara tamin’ny “Africa Cup 3×3” farany teo no nampiakatra izao filaharana izao. Mbola fitaratra ho an’ny mpilalao aty Afrika, hatreto, i Christiane Jaofera sy Randriamampionona Elly, izay samy voahosotra ho mpilalao mendrika, nandritra iny “Africa Cup 3×3” farany teo iny.




