Taranja Atletisma : Lany ho filoha Andriamahazo Norolalao

Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Tafaverina hitondra izany indray mandritra ny efa-taona manaraka, Andriamahazo Norolalao. Izy indray izany no handimby an-dRaherison Dominique.

Notanterahina ny sabo­tsy lasa teo, teny amin’ ny Ininfra Alarobia, ny fivoriamben’ny fifidianana ny taranja Atletisma malagasy. Andriamahazo Norolalao, in­dray no hitantana ny Fe­de­rasionina malagasin’ny At­le­tisma, mandritra ny efa-taona manaraka. Nahazo ny vato 8 tamin’ireo ligy 14 tonga nifidy izy. 3 avy kosa ny an’ireo mpi­fanandrina taminy dia i Jean de La Croix Ma­hatana sy Raharison Do­minique, filohan’ny FMA teo aloha. Nam­baran’ity filoha vaovao ity, fa tanjona ny hanarenana ny atletisma malagasy, izay mbo­la miatrika olana maro eo ny fiatrehana ny fifanintsanana iraisam-pirenena, eo ny tsy fahampian’ny fitoavana ho an’ireo atleta. Manana fika­sana ny hanamafy ny fitantanana ao anaty mangarahara Andriamahazo Norolalao. Na­namafy izy fa tombony ho an’i Mada­ga­sikara ny maha mpikambana azy ao amin’ny Kaonfe­de­rasionina Afrikanina Con­fédération Africaine d’Ath­lé­tisme sy ny faritra Atsimo, satria manamora ny fahazoana ny vaovao sy ny fanofanana ary fanohanana ho an’ireo mpanazatra sy at­leta malagasy izany. Ankoa­tra izay, nilaza ny mpitantana vaovao fa haverina ilay ivontoeram-panofanana ho an’ireo atleta izay nahitan’ny Mala­gasy fahombiazana hatra­min’izay. “Mia­loha ny faran’ ny taona, hoezahina haverina io ivontoerana io, mba hahafahan’ny atleta manao fanazaran-tena, ary mba hahazoana vokatra tsara amin’ny lalaon’ny Nosy 2027”, hoy Andriamahazo Norolalao. Ampahafantarina ihany fa efa nitantana ny FMA, tao ana­tin’ny fe-potoam-piasana roa ny tenany. Bongolava, Amo­ron’i Ma­nia, Diana, Anala­manga, Iho­rombe, Boeny, Alaotra Man­goro, Itasy, Ma­tsiatra Ambo­ny, Vakinan­ka­ratra,  Atsi­­mo  Andrefana, Ihosy, Fitovinany ary Atsina­nana, ireo ligy nandatsa-bato.

Fitia Randria

Partager sur: